"Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehôvah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehôvah ? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. " - 1 Sam. 15:22.
Mofon’aina:
Natao hankatoavina tsy misy adihevitra ny tenin'ny Tompo; izany no tokony ho fahefana faratampony eo amin'ny fiainantsika. Ninia tsy nanaraka ny baikon'ny Tompo mazava i Saoly, ary niezaka nampitony ny feon'ny fieritreretany tamin'ny nandreseny lahatra ny tenany fa heken'Andriamanitra ny fanatiny ka tsy hotsarovana ny tsy fankatoavany. Rehefa tonga nihaona taminy i Samoela mpaminany dia niseho ho toy ny olo-marina i Saoly ka nanao hoe: "Hotahin’i Jehôvah anie hianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehôvah aho." —1 Sam. 15:13. (...)
"Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman-osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko? Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehôvah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa." "Fa hoy Samoela: Sitrak 'i Jehôvah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehôvah ? (...) Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’i Jehôvah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa." - 1 Sam. 15:14,15; 22,23.
Tokony ho fahefana faratampony ny Tenin'Andriamanitra. Hoy ny Tompo: "Ny fanekeko tsy hotsoahako, ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako." — Sal. 89:38. Tsy afaka manova ny lalàny na dia kely monja aza Andriamanitra, raha tsy izany dia tsy ho faratampony intsony Izy. Tsy afaka mamolaka ny lalàn'Andriamanitra hifanaraka amin'ny heviny ny olona (...). Diso aoriana loatra vao ho fantatry ny olona fa tsy afaka mitsara ny tenin'Andriamanitra izy, fa ny tenin'Andriamanitra no hitsara azy. (...) Izay manohitra an'Andriamanitra dia hahita fa efa nandao ilay hany làlana mitondra ho amin'ny fahamasinana sy ny fahasambarana ary ny lanitra izy ireo. — ST, 9 Janoary 1896.