"Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. (...) Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. " - Jak. 4:8-10.
« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. » —2 Tant. 7:14.
"Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina." — Efes. 1:18.
"Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany." - Lio. 23:34.
Mofon’aina: Vahoaka be no nanaraka ny Mpamonjy nankeny Kalvary; maro tamin'izy ireny no naneso sy nanakora, ny sasany nitomany sady nitanisa ny zava-tsoa nataony. Ireo nositraniny ho afaka tamin'ny rofy isan-karazany sy ireo natsangany tamin'ny maty dia nankalaza ny asa tsara nataony tamin'ny feo feno fahasahiana, ary niezaka nanontany ny amin'izay nataon'i Jesôsy ka nandraisana Azy ho mpanao ratsy toy izao. (...)
"Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesôsy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny." - Mat. 19:13.
Hodinihana mandritry ny herinandro: Sal. 103:13; Isa. 49:15; Hos. 11:1-9; Mat. 23:37; 2 Kôr. 11:2; 1 Kôr. 13:4-8.
Tsianjery: "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." - Isa. 49:15
"Diso fanantenana ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny vidiny nataony taminy taminy ireo lova o lova nofidiny Irin' Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia fsy nalefany ny Zanany hanao iraka nandany be toy izany hanavotana azy ireo. Manana ny hampiasany azy Izy, koa mahafaly Azy ny hanaovan'izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany.