"Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy aminy no ihavian'ny aina." - Ohab. 4:23.
Mofon’Aina: Tena ilaina indrindra ny fitandremana fatratra ny fo raha tiana ny hitombo tsara amin'ny fahasoavana. Raha ny fo, amin'ny maha-fo ara-nofo azy, dia fitoeran'ny eritreritra tsy masina sy ny faniriana feno fahotana. Raha entina eo ambanin'ny fanapahan'i Kristy izy, dia tsy maintsy diovin'ny Fanahy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra. Tsy ho vita anefa izany raha tsy manaiky ilay olona.
Vakio ny 2 Kôr. 4:3-6. Inona ny hevitry ny hoe "izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino" - 2 Kôr. 4:4? Ahoana no nanajambana ny mason'izy ireo? Inona no mampisokatra ny maso?
Miasa amin'ny alalan'ny fisainantsika ny Fanahy Masina. Manasa antsika Izy handinika ireo zava-miafin'izao tontolo ary rehetra izao. Mifanaraka amin'izany indrindra ny voalazan'ilay olona iray izay hoe: "Amin’ny maha-Kristianina antsika dia tsy ajanontsika eo am-baravaran'ny fiangonana ny atidohantsika." Kanefa na maranitra toy inona aza ny sain'ny olombelona, raha amin'ny herin'ny tenany monja dia tsy ho hainy ny hahatakatra ireo fahamarinan'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina. Tsy hevitr’olombelona mantsy ny fahamarinana. Fanambaran'Andriamanitra izany.
Ampitahao ny Jao. 17:15-17 sy ny Asa. 20:32. Inona ny fanazavana omen'i Jesôsy sy i Paoly apostôly antsika momba ny fiarovana amin'ny famitahan'i Satana?