"Io toe-tsaina feno fankahalana syfanoherana ny fahamarinana io ihany no nanetsika ny fahavalon'Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra, ary toe-tsaina mahatoky sy miambina no angatahin'Andriamanitra kosa mba hananan'ny mpanompony. Azo ampiharina amin'ireo mpanaaraka an'i Kristy aty amin'ny andro farany ny teny nataony tamin'ireo mpianany tamin'ny voalohany manao hoe: 'Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena' — Mar. 13:37." - HM, t. 57.
Any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, indrindra fa any amin'ny toerana izay ahazoan'ny olona malalaka ny Baiboly, dia nampiasa fomba hafa i Satana hampihenana ny herin'ny Baiboly. Fomba iray nampiasainy, izay nahomby tokoa, ny fikarohana ara-tsiansa, eny, na ny fandalinana ny Baiboly aza, izay mametraka firehana izay, raha ekena, dia hanozongozona ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ohatra, na dia voalza aza fa 500 taona mahery TIK no nisian'ny bokin'i Daniela dia manam-pahaizana maro momba ny Baiboly no milaza ny fisian'izany ho taty amin'ny antsasaky ny taonjato faharoa TIK. Tohanan'izy ireo fa tamin'io vanim-potoana io no nanoratana izany, satria raha 500 taona mahery TIK no nanoratana azy, dia midika izany fa marina amin'ny tsipiriany loatra ny faminaniany rehetra momba ny hoavy, ary tena mpaminany manokana avy amin'Andriamanitra tokoa i Daniela, kanefa tsy mitombina velively izany raha ny fandinihany azy. Taonjato maro taorian'ilay daty efa voalaza, noho izany, no nolazain'izy ireo fa nanoratana ny bokin'i Daniela. Indrisy fa anisan'ireo lainga maro ampidirin'ny fandalinana moderina ao an-tsaintsika io lainga momba ny Baiboly io. Ary ny tena mampalahelo, dia olona maro no manaiky izany fahadisoana izany satria manam-pahaizana momba ny Baiboly no mampianatra izany. Tsy mahagaga raha mampitandrina antsika i Paoly hoe: "Fantaro ny zavatra rehetra; mafy izay tsara" - 1 Tes. 5:21.
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Jereo ilay tenin'ny teôlôjianina sy Kristianina ao amin'ny fizarana Talata ka saino izao manaraka izao: Ahoana no ampiasan'i Satana fomba fiasa toy izany koa ankehitriny mba hanamaivanana ny fahefan'ny Soratra Masina, amin'ny fomba misoko miadana?
2. Inona ireo fiarovana lehibe indrindra ho antsika mba tsy hanao dika vilana ny Tenin'Andriamanitra?
3. Ny tena ezahin'i Satana atao ao annin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy dia ny manaratsy ny toetran'Andriamanitra sy ny maneho Azy ho mpanao didy jadona, lozabe sy tsy manam-pitiavana. Amin'ny fomba ahoana no anaovan'ilay ratsy izany, ary inona no asetrin'Andriamanitra ireo laingany?
4.Hoy ny Apôstôly Paoly: "ny famoahan-kevitry ny faminaniana (...) dia tsy efan'ny fisainan’ny olona fotsiny ihany" - 2 Pet. 1:20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy aolantsika ny hevitry ny Soratra Masina mba hanatrarana ny tanjontsika manokana? Ahoana no mahatonga izany ho mora atao tsy araka izay iheverantsika azy, ary nahoana isika no tokony hitandrina ny amin'izany? Ahoana no ahafahantsika miaro tena tsy ho latsaka amin'izany?