"Ary nony nahita ny fahasahisahianˋi Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy." - Asa. 4:13.
Mofon’aina:
F,ony teto an-tany i Kristy dia tsy nibaiko ireo mpanarato _ mba handao ny haratony sy ny sambokeliny ka hankany amin'ireo mpampianatra jiosy ho fanomanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Raha nandeha teo amoron-dranomasin'i Galilia Izy dia "nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin 'ny ranomasina; ( ...). Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, (...) ary niantso azy mirahalahy Izy. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin 'izay izy ka nanaraka Azy."- Mat. 4:18-22.
Manaitra tokoa io fankatoavana teo no ho eo io, izay tsy nisy fisalasalana na koa fampanantenana karama. Fanasana izay naneho tokoa ny tiany hambara rehetra ny Tenin'i Kristy. Nisy hery miasa mangina tsy hay notohaina tao amin'ny Teniny. Tsy nisy fanazavana lava nefa nanana hery nahataona izay nambarany. (...)
Amin'ny firaisana Aminy no hanaovan'i Kristy an'ireto mpanarato tso-piaina ireto ho fitaovana hitaona ny olona hiala amin'ny fanompoana an'i Satana ho tonga mpino an'i Kristy ka hampianatra azy ireo momba ny fanj akan ' Andriamanitra ( . . )
Nofidin'i Kristy ny adala amin'izao tontolo izao - dia ireo izay ataon'izao tontolo izao ho tsy nianatra sy tsy manam-pahalalana - mba hampahamenatra ny hendry amin'izao tontolo izao. Tsy mba nandalina ireo lovan-tsofin'ny raby ireo mpianatra, kanefa fahalalana ambony indrindra no azony tamin'ny nananany an'i Kristy ho Môdely sy Mpampianatra azy (...). Nasehon'i Kristy azy ireo ny fahamarinana ambony indrindra.
Izay ampiasain'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana Azy dia homaniny araka ny fombany mba hahatanteraka izany fanompoana izany. (...) Tsy maintsy manao Azy ho Môdely amin'ny zavatra rehetra izy ireo; manana ny fangorahany feno halemem-panahy sy ny toetrany hentitra manohitra ny asa ratsy rehetra. TDG, t. 41.