« Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany. » 1 Kôr. 15:22,23
Mofon’aina:
Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon’ny Zanak’Andriamanitra miantso ny olo-masina matory hifoha. (...) Eran’ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran’ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran’izay lehibe avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. (...)
Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin’ny fony izy ireo niditra tao am-pasana. I Adama izay mijoro miaraka amin’ny vahoaka nitsangana tamin’ny maty, dia ranjanana sy miendrik’andriana, nefa ho fohy kely kokoa noho ny Zanak’Andriamanitra. Manaitra ny fahasamihafany amin’ny olona amin’ny taranaka aty aoriana; ary izany dia ahitana ny fitotonganana lehibe teo amin’ny taranaka. Nefa samy mitsangana amin’ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. (...)
Navela tao am-pasana ny kilema sy ny sampontsampona rehetra. Tafaverina eo amin’ny hazon’aina tao amin’i Edena efa very ela ireo navotana ka “hitombo"(Mal. 3:20), hanana bika aman'endrika feno teo amin’ny voninahiny tany am-boalohany. (...)
Rehefa raisina eo amin’ny tanànan’ Andriamanitra ny voavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsom-piderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak’Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain’ny taranak’olombelona – ilay nohariany nefa nanota tamin’ny Mpanao Azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran’ny tenan’ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana. Rehefa hitan’i Adama ny marika navelan’ireo fantsika lozabe, dia tsy hiantoraka eo an-tratran’ny Tompony izy, fa hietry ka hiankohoka eo an-tongony, manao hoe: “Mendrika, mendrika ny Zanak’ondry izay voavono!” Hatsangan’ny Mpamonjy amim-pitiavana izy ary asainy mibanjina indray ilay fonenany tao Edena izay nilaozany nandritra ny fotoana elabe. (...)
Manatri-maso io fivoriana io ny anjely izay nitomany tamin’ny nahalavoan’i Adama ary niravoravo rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka nanokatra ny fasana ho an’izay rehetra mino ny anarany. Izao izy ireo dia mibanjina ny asa fanavotana efa vita, ka mampiray ny feony amin’ny hiram-piderana. – CC, t. 23.