"Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an 'i Kristy, dia ny fahamarinan 'Andriamanitra amin'ny finoana." - Fil. 3:9.
Mofon'aina:
Tsara ny mamaky sy ny mampianatra Baiboly, fa tena tsara koa ny mampihatra ireo foto-kevitra mitondra fiainana sy manamasina ao aminy, izay nambolena tao amin'ny fanahy (...). "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana." — Efes. 2:8. Tokony hobeazina haneho finoana ny saina fa tsy hikolokolo fisalasalana, na fiahiahiana, na fialonana. Matetika loatra ny sakana no raisintsika ho tsy fisiam-bahaolana intsony. Lesona sarotra ianarana tokoa ny mino ireo teny fikasan'Andriamanitra, ny mandroso amim-pinoana, ny manohy hatrany ka tsy fehezin'ny toe-java-mitranga. Saingy lesona tsara ianaran'ny zanak'Andriamanitra tsirairay izany. Natao hohazonintsika mandrakariva ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy; nomena antsika mantsy izany ho hany fomba ahazoantsika manatona an'Andriamanitra. (...)
Ny finoana resahina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia foto-kevitra miasa sy velona eo amin'ny fiainana. Sitrapon'Andriamanitra ny hanatanterahana ny finoana an'i Kristy amin'ny alalan'ny asa; ampifandraisiny amin'izany asa izany ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain'ireo mino, ary amin'ny alalan'izany asa izany no ielezan'ny fahazavan'ny fahamarinana any amin'ny firenena rehetra sy ny mponina rehetra. Io no vokatry ny asan'ny Fanahin' Andriamanitra.
Amin' ny alalan'ny fitandremantsika ny didin ' Andriamanitra no anehoantsika ny finoantsika Azy. Miseho amin'ny teny sy ny asa mandrakariva ny finoana. (...) Ny fiainana voavolavolan'ny finoana dia ahitana fahavononana handroso, handroso hatrany amin'ny fanarahana ny dian'i Kristy. (...) Izay manana finoana marina an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia hahita fa miasa amin'ny fomba mazava ho azy ny finoany. Finoana miasa ny finoany (...). Tsy mahay mamorona finoana isika, saingy azontsika atao ny miara-miasa amin'i Kristy amin'ny fampitomboana sy fampandresena ny finoana.
Ny finoana izay miasa amin'ny alalan'ny fitiavana dia manadio ny fanahy ary mamoa fanetren-tena, faharetana, fandeferana, fahari-po, fiadanana, fifaliana, ary fankatoavana an-tsitrapo. — HP, t. 109.