"Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin 'ny asany rehetra. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao." - Sal. 145:9,10.
Mofon'aina:
Tiantsika ery ny mandinika ny toetran'Andriamanitra sy ny fitiavany ao amin'ny asan'ny tanany. Porofo lehibe nomeny ny zanak'olombelona ny amin'ny heriny sy ny fitiavany amin'ny maha-Raintsika Azy izany! Noravahany tsara tarehy ny lanitra, ary ny tany kosa nataony miezinezina sy kanto.
"Jehôvah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! Nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. (...) Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? " "Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. " — Sal. 8:1,3,4; 145:10.
Raha toa ka natao mitovy tantana sy fisaka tanterka avokoa ity tanintsika ity dia ho namizana ny maso sy nahatofoka ny saina izany. Fa noravahan'Andriamanitra tendrombohitra sy havoana ary lohasaha maro ny tany. Ary na ny granita miranirany, na ny tendrombohitra sola, na ny tendrombohitra anirian'ny alan-kesika sy ny ahi-maitso, na ny lohasaha feno zava-maniry milenodenoka mahafinaritra; ireo dia manome endrika kanto ny tanintsika. Hita hatraiza hatraiza ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny heriny. (...) Tsy mba mahatsiaro ho manirery na oviana na oviana aho eo am-pandinihana ny hafatratry ny zavaboary. (...) Feno fanajana sy talanjona aho mahita ny hantsana lalina sy ny tampon-tendrombohitra rakotra oram-panala.
Tokony hataontsika sekoly hianarantsika momba ny toetran'Andriamanitra ao amin'ny zavaboariny ireny tendrombohitra sy havoana ary lohasaha ireny. Na ireo voatanisa ireo, na ny hazo, na ny voninkazo, hatramin'ny ravin-kazo sy ny ahitra tsirairay, dia tokony hampianatra antsika ny amin'ny fahaizan'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny heriny tsy hita fetra.
Tsy hahatsiaro ho manirery velively izay mandinika ny zavaboary. Mankamamy ireo ora mangina fisaintsainana izy ireo; tsapany mantsy fa voataona hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny fomba ety indrindra izy ireo eo am-pibanjinana ny herin'Andriamanitra ao amin'ireo voary noforoniny. — HP, t. 9.