Vakio ny Sal. 113 sy 123. Inona ireo lafiny roa samy hafa amin'ny toetran'Andriamanitra voalaza ao amin'ireo Salamo ireo?
Samy midera ny fahalehibeazan'Andriamanitra sy ny famindram-pony ny Sal. 113 sy 123. Miseho eo amin'ny fahalehibeazan'ny Anarany ny fiandrianan'Andriamanitra ary koa eo amin'ny toerana avo misy ny seza fiandrianany izay ambonin'ny firenena rehetra sy ambonin'ny lanitra (Sal.113:4; Sal. 123:1). "Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika" - Sal. 113:5, fanambarana ny finoana izany fa tsy misy fahefana na eto amin'izao tontolo izao na any ivelany afaka mihaika an'Andriamanitry ny Isiraely.
Ny haavon'ny fitoeran'Andriamanitra izay tsy mety tratrantsika dia asehon'ny faneken'ny Tompo "hanetry tena" na koa "miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany" (jereo ny Sal. 113:6). Tsy manakana an'Andriamanitra tsy hahita izay miseho ety ambany ny fitoerany any amin'ny avo. Ny famindram-pony dia miseho eo amin'ny fahavononany hifandray amin'izao tontolo izao (noho ny fahasoavany) sy hamonjy ireo mahantra sy mila fanampiana ho afaka amin'ny fahorian'izy ireo. Mazava loatra fa tsy miafina amin'ny mpanompony ny tanany feno fahalalahan- tanana, na dia any lavitra any an-danitra aza ny fonenany.
Manjary hita maso eo amin'ny asa ataony sy ny fiantrany ny fahalehibeazan' Andriamanitra sy ny fiahiany, izay tsy mety ho takatry ny saintsika amin'ny fahafenoany noho ny fahamboaniany mahagaga. Azon'ireo mila fanampiana sy mahantra ary mijaly atao ny miaina mivantana ny fanandraman'ny hery lehiben'Andriamanitra eo amin'ny fiovan'ny toe-javatra izay miharihary ataon'Andriamanitra ho azy. Maneho ny fahalehibeazany ilay Andriamanitra avo amin'ny fampiasana ny heriny hanandratana ireo ory. Manana fahalalahana hanatona an'Andriamanitra ny olona satria ny fiandrianany sy ny fahamboniany dia tsy manova ny maha-Mpamorona be fahasoavana sy Mpiahy Azy, ka ny olona dia mpanompony no sady zanany malala.
Araka izany, tsy ny fahalehibeazan'Andriamanitra irery ihany no mandrisika antsika hiankohoka Aminy fa ny fahatsarany koa. Tsy voafetran'ny fotoana sy ny erana ny fiderana (Sal. 113:2,3). Ao amin'i Jesôsy Kristy no isehoan'ny fahalehibeazan'Andriamanitra sy ny famindram-pony amin'ny fomba tsara indrindra, Izy ilay nanaiky hiondrika avy any an-danitra ary hidina any amin'ny farany ambany indrindra tamin'ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana mba hanandratana ny taranak'olombelona lavo (Fil. 2:6-8). Eo amin'ny hazo fijaliana no ahitantsika ny antony lehibe indrindra tokony hiankohofana amin'Andriamanitra sy hiderana Azy noho izay efa nataony ho antsika.
Saintsaino ny amin'ny hazo fijaliana sy izay niseho teo noho ny aminao manokana. Navotan'i Jesôsy tamin'ny inona ianao? Nahoana no zava- dehibe tokoa ny hihazona ny hazo fijaliana ho laharam-pahamehana ao amin'ny fisainanao?