"Ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe mpamboatra ny raya, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. " Isa. 58:12.
Mofon’aina:
Ny Sabata no fatorana volamena mampiray an'Andriamanitra amin'ny vahoakany. Kanefa nodikaina ny didy momba ny Sabata. Nozimbazimbaina ny andro masin'Andriamanitra. Nesorin' ilay lehilahin'ota an-keriny teo amin'ny toerany ny Sabata, ka andro fiasana tsotra no nohindrahindrainy ho solony. Nisy nandrava ny lalàn'Andriamanitra, ary tsy maintsy averina amin'ny laoniny izany. Tsy maintsy asandratra eo amin'ny toerana tokony hisy azy ny Sabata marina, amin'ny maha-andro fitsaharan'Andriamanitra azy.
Soritsoritana ao amin'ny Isaia toko faha-58 ny asa tokony hotanterahin'ny vahoakan'Andriamanitra. (...) Izy ireo no ilazan'Andriamanjtra hoe: "Ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, (..). Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin 'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny làlanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah hianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany hianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan Jehovah no efa niteny." — and. 12 14.
Ny momba ny Sabata no hifanolanana amin'ilay ady lehibe farany izay andraisan'ny rehetra anj ara. Nohajain'ny olona mihoatra noho ny fitsipika mifehy ny lanitra ny fitsipik'i Satana. Nekeny ny Sabata sandoka, izay nireharehan'i Satana ho mariky ny fahefany. (...) Ny didy tsirairay momba ny Sabata, (na ny tena izy na ny sandoka), dia samy mitondra ny tombokasen'ny tompony avy, izay marika tsy azo fafana momba ny fahefan'ny tsirairay. Ny asantsika dia ny mitaona ny olona hahatakatra izany. Tsy maintsy asehontsika azy ireo fa iankinan'aina ny vokatry ny fitondrana ny mariky ny fanjakan'Andriamanitra na ny mariky ny fanjakan'ny fikomiana; ny fitondrany izany marika izany mantsy dia midika ho fileferany amin'ilay fanjakana. (...) Zava-dehibe, araka izany, ny hanehoantsika ohatra araka ny tokony ho izy momba ny fitandremana ny Sabata. TFC, b. 6, tt. 351,353.