"Raha miaro ny tongotrao amin 'ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, (...) dia hiravoravo amin'i Jehovah hianao (...)." - Isa. 58:13,14.
Mofon’aina:
Maro amin'ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny no manidy ny fony sy ny sainy tsy hidiran'ny Masoandron'ny Fahamarinana, izay mitondra taratra mamirapiratra mandroaka ny haizina manjaka ao. Mandà ny fahazavana izy ireo, ary ataony ambanin-javatra ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fitakiany. Sabata sandoka no eken'izy ireo fa tsy ny andro fitsaharana nomen'i Jehôvah azy; manompo sampy izy ireo, ary mandika ny lalàna mas in' Andriamanitra amin'ny fanitsakitsahany ny Sabata izay naoriny sy notahiny.
Ny hahasoa ny olombelona rehetra no tanjon'ny Sabata. Rehefa avy nahary izao tontolo izao tao anatin'ny henemana Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, ary nitahy sy nanamasina ny andro izay nitsaharany tamin'ny asany rehetra efa nataony. Natokany ho andro miavaka io andro io mba hahafahan'ny olombelona mitsahatra amin'ny asany, ka rehefa mijery ny tany ambany sy ny lanitra ambony izy ireo, izay porofo mivaingana maneho ny fahendren'Andriamanitra tsy hita fetra, dia ho feno fitiavana sy fanajana ny Mpahary azy ny fony.
Raha nitandrina mandrakariva ilay andro notahin'Andriamanitra sy nohamasininy ny zanak'olombelona, dia tsy ho nisy teto amin'izao tontolo izao velively ny tsy mpino. Natao ho fahatsiarovana ny asan'ny Mpamorona mantsy ny Sabata; nomena indrindra izany mba hahafahan'ny olona mampiala ny sainy amin'ny zavatry ny tany ka hibanjina an'Andriamanitra sy ny heriny kosa. (...)
Miankohoka amin'ny sampy vita amin'ny hazo sy vato ny mpanompo sampy, ao anatin'ny fahajambany. "Ireo no andriamanitray" hoy izy ireo. Manana porofo kosa isika ao amin'ny didy fahefatra fa ny Andriamanitsika dia Ilay Andriamanitra marina sy velona. Ao no misy ny tombo-kasen'ny fahefany (...) (Eks. 20:11). Hitantsika eny amin'ny lanitra izay mitory ny voninahitry ny Mpahary azy, ny fahalehibiazan ' Ilay Andriamanitra ivavahantsika ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny dia manome aina sy hatsarana ny zavaboary rehetra; ny volana aman-kintana, asan'ny tanany. Izy no Andriamanitra "nahary ny lanitra sy ny tany" — Gen. 1:1. — BE, 12 Oktôbra 1896.