"Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; (...) izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy." - Eks. 20:8-11.
Mofon’aina:
Vao manomboka ny didy fahefatra dia hoy Andriamanitra hoe: "Mahatsiarova", satria fantany fa ao anatin'ny asa aman-draharaha miavosa sy ny fahasahiranana, dia mety halaim-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy hanala tsiny ny tenany noho ny tsy fitandremany tsara ny fitakian'ny lalàn' Andriamanitra rehetra, na hanadino ny maha-zava-dehibe sy masina izany noho ny rotorotom-piainana. "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra," izany hoe ny raharaha mahazatra fanaonao eo amin'ny fiainana, hahazoanao tombontsoa na fahafinaretana eo amin'izao tontolo izao. Mazava tsara ireo teny ireo, ary tsy misy tokony ho diso fandray azy.
Ranadahy K, ahoana no ahasahianao mandika didy iray izay sady manan-danj a no manan-kery? Moa ve navahan'ny Tompo ianao ka afaka amin'ny lalàna izay nomeny hotandreman'izao tontolo izao? (...) Aza mety ho voafitaka na dia kely aza, amin'ny fieritreretana fa tsy hampiharana ny sazy mendrika azy ny fahotanao. Hofaizina amin'ny tsorakazo ny fandikanao lalàna, satria efa nandray fahazavana ianao, nefa nandeha mifanohitra tanteraka amin'izany.
"Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be." — Lio. 12:47.
Nanome antsika enina andro Andriamanitra hanaovana ny asantsika sy hanatanterahana ny raharaha mahazatra eo amin'ny fiainana; fa andro iray kosa no mba takiny, izay natokany sy nohamasininy. Nomeny antsika izany ho andro ahafahantsika miala sasatra, mitsahatra amin'ny asantsika, sy manokan-tena ho amin'ny fivavahana sy ny. fandrosoana ara-panahy. Faniratsirana lehibe tokoa ny fangalarantsika ilay andro tokana nohamasinin'i Jehôvah mba hampiasantsika izany ho amin'ny tanjontsika manokana feno fitiavan-tena!
Sahisahy foana tokoa ny olombelona izay mihevitra fa mahazo manao marimaritra iraisana amin'ny Tsitoha mba hahazoana tombontsoa kely ara-nofo. Tena fandikan-dalàna tsotra izao ny fampiasana ny Sabata hanaovana raharaha ara-barotra tsindraindray fotsiny, mitovy amin'ny fandavana azy tanteraka ihany; satria midika izany fa araka izay metimety amintsika ihany no hanajantsika ny didin'ny Tompo. — TFC, b. 4, t. 249.