"Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan 'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony." - Gen. 2:2.
Mofon’aina:
Nohamasinin'Andriamanitra sy notahiny ilay andro nitsaharany tamin'ny asany rehetra mahagaga. (...) Natao ho tsangambato fahatsiarovana mandritra ny taona rehetra mifandimby izany, mandra-pifaran'ny tantaran'ny tany.
Nanafaka ny Hebreo tamin'ny fanan-devozan'ny Egiptianina Andriamanitra, ary nandidy azy ireo hitandrina ny Sabatany sy hanaja ny lalàna nomena tao Edena. Nanao fahagagana isan-kerinandro ny Tompo mba hampitoetra ao an-tsain'izy ireo fa nanorina ny Sabata hatrany am-piandohan'izao tontolo izao Izy. (...)
Tonga tany an'efitr'i Sinay izy ireo tamin'ny volana fahatelo, ary teo no nanambarana ny lalàna, teo an-tampon-tendrombohitra, tamin'ny fomba manetriketrika sy miezinezina. Efa ela tokoa ny Isiraely no nandre sy nahita ny fanaon'ny mpanompo sampy tany Egipta, hany ka veriny tamin'ny ampahany lehibe ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny lalàny ary ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe sy masina ny Sabata. Koa nohamafisina fanindroany ny lalàna ho fampahatsiarovana azy ireo ny amin'izany zavatra izany. (...)
Hoy i Jehôvah tamin'i Mosesy: "milazà amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo." — Eks. 31:13a. Satria te hanafoana ny lalàn'Andriamanitra ny olona sasany dia manazava io "Sabatako" io ho ny Sabata ankalazain'ny Jiosy isan-taona. Kanefa tsy mifandrindra amin' ity fitakiana mazava manaraka azy ity izany hevitra izany: "fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin 'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny. fireneny. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an 'i Jehovah (..). Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin 'ny henemana no nanaovan Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin 'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." — Eks. 31:13b-18. — RH, 30 Aogôsitra 1898.