« Raha maharitra amin 'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. »- Jao. 8:31,32.
Mofon’aina:
Tsy very mandeha eo amin'ny lalan'ny adidy ireo tanora lahy sy vavy manao ny Baiboly ho mpitari-dalana azy, ary voaro. Hampianatra azy ireo hitahiry ny toetrany ho mahatoky sy marina io Boky io, ary tsy hamitaka. Hampianarina azy fa tsy azony atao na oviana na oviana ny mandika ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoany izay iriny, na dia mitaky fahafoizan-tena aza ny fankatoavana. Hianarany ao amin'ny Baiboly fa raha miala amin'ny lala-marina izy ireo dia tsy handray ny fitahian'ny lanitra; ary na misy aza ireo toa ambinina ao anatin'ny tsy fankatoavana, dia azo antoka fa tsy maintsy hijinja izay nafafiny ireny.
Izay manaiky ny Soratra Masina ho feon'Andriamanitra miteny aminy no tena mpianatra. Mangovitra eo am-pandrenesana ny feony izy satria marina sy velona izany ho azy. Vonona hanaiky ny fampianarany masina ny sainy, ary mivavaka izy mba hanam-pahendrena hahazoany mioman a ho amin'ny fanompoana. Rehefa apetraka eo an-tanan' ireo mpikatsaka ny fahamarinana ny fanilo avy any an-danitra dia hitany fa malemy sady tsy tanteraka ny tenany, ary tsy misy azony anantenana fanamarinana raha ny tenany no jerena. Hitan'izy ireo fa tsy misy na inona na inona mahamendrika azy eo anatrehan'Andriamanitra. Mivavaka izy mba hitari-dalana azy mandrakariva ny Fanahy Masina, S olontenan' i Kristy, ho amin'ny marina rehetra. Averimberiny ilay teny fikasana hoe: 'fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin 'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra." — Jao. 14:26.
Hitombo fahalalana sy fahaiza-manavaka ireo izay mazoto mianatra Baiboly. Ho takatry ny sainy ireo lohahevitra ambony ary hifikitra amin' ireo fahamarinana mandrakizay izy. Antony tsara no hanosika azy ireo hiasa. Hampiasa ny talentany izy hitaomana sy hanampiana ny hafa hahatakatra tsara kokoa ny andraikitra napetrak'Andriamanitra taminy. Ho dibo-kafaliana ny fony rehefa ho hitany fa nahomby ny ezaka nataony tamin'ny fizarana tamin'ny hafa ny fitahiana noraisiny. — CPTS, U. 449,451.