"Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehôvah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely ny didy sy ny fitsipika." - Ezra 7:10.
Mofon’aina:
Tamin'ny maha-taranak'i Arôna azy no nahazoan'i Ezra ny fiofanana ho mpisorona. Nilozoka koa nandinika ireo bokin'ny mpanana ody sy ny mpanandro ary ny olon-ke ridrin'ny fanjakana Mediana sy Persiana izy. Na izany aza anefa dia tsy afa-po tamin'ny toetra ara-pa lahy nananany izy, fa nitady fatratra hampifanaraka ny fiainany tamin'ny Tompo, ka naniry mafy ha lazo fahendrena avy any ambony mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Koa dia "nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehôvah ka hankatò izany " Izy.
Nahatonga azy hianatra tsara ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, dia araka izay voatantara ao amin'ny soratra navelan ' ireo mpaminany sy mpanjaka. Nodinihiny ireo boky misy tantara sy tononkira ao amin'ny Baiboly hahalalany ny antony namelan'Andriamanitra an' i Jerosalema holevonina sy ny namelany ny Jiosy hobaboina tany amin'ny tanin'ny mpanompo sampy.
Nandalina manokana indrindra ny tantaran'ny Isiraely i Ezra, nanomboka tamin'ny fotoana nandraisan' i Abrahama ny teny fikasana avy tamin'Andriamanitra ka hatramin'ny nanafahana azy ireo tamin'ny fan indevozan'ny Egiptianina. Nianarany ireo torohevitra nomena tany amin'ny tendrombohitra Sinay sy ireo noraisin'ny vahoaka jiosy nandritra ny firenireneny tany an' efitra. Arakaraka ny nahafantarany ny fomba mahagaga nitondran'Andriamanitra ny vahoakany no nahatohina lalina ny fony sy nahalalany bebe kokoa ny fahamasinan'ny Lalàna nomena teo Sinay. Nandalo tamin'ny fiovam-po marina izy, ary tapa-kevitra hianatra sy hahafehy ny tantara ao amin'ny Testamenta Taloha, tsy hanomezana fahafaham-po ny tenany fotsiny, fa hahafahany mampahita soa sy fahazavana ny vahoaka jiosy amin' izany koa. Teo an-dalam-pahatanterahana ny sasany tamin'ireo faminaniana; nokatsahiny tamim-pahazotoana ilay fahazavana izay nohamaizinina.
Niezaka niomana ho amin'ny asa izay noheveriny fa nankinina taminy i Ezra. Nikatsaka an'Andriamanitra mafy tokoa izy mba hahatonga ny tenany ho mpanompo sy mpampianatra tsy hanala baraka ny Tompony. Nodinihiny ireo teny nosoratana momba ny adidin'ny vahoaka voafidin'Andriamanitra, ary hitany ny faneken'ny Isiraelita sy ny fanoloran-tenany hankatò ny Tenin'ny Tompo, ary ny fanoloran-tenan'Andriamanitra ho setrin'izany kosa, fa hotahiny tokoa izy ireo raha mankatò. — RH, 30 Janoary 1908.