"Ary Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra." - Mat. 22:29.
Mofon’aina:
Feon'Andriamanitra miresaka amintsika ny Teniny, ary hisy feo maro hafa koa ho rentsika. Nampitandrina antsika anefa i Kristy ny amin'ireo izay hilaza hoe: "Indro, aty Kristy, na Indro, ary" Izy. Ahoana àry no hahafantarantsika fa tsy manana ny fahamarinana izy ireo, raha tsy sedraintsika amin'ny Soratra Masina ny zavatra rehetra? Nampitandrina antsika ny amin'ireo mpaminany sandoka izay ho avy amin'ny anarany i Kristy, izay hilaza fa izy no Kristy.
Ankehitriny, raha heverinao fa tsy dia zava-dehibe ho an'ny tenanao ny mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina, dia tandindomin-doza ho voafitak' ireny fampianarana ireny ianao. Nilaza i Kristy fa amin'ny andro fitsarana sy famaliana dia hisy vondron' olona hanao hoe: "Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?" — Mat. 7:22. Fa hamaly azy ireo i Kristy hoe: "mialà amiko, hianareo mpanao meloka." —Mat. 7:23b.
Mila mahalala ny atao hoe fahotana isika izao; fandikana ny lalàn'Andriamanitra izany. Izay ihany no famaritana omena ao amin'ny Soratra Masina. Hitantsika araka izany fa izay mitonon-tena hotarihin' Andriamanitra kanefa manalavitra Azy sy ny lalàny, dia tsy mandinika ny Soratra Masina. Kanefa hitarika ny olony Andriamanitra; niteny mantsy Izy fa ny ondriny manaraka Azy satria mahalala ny feony ireo, ary ny vahiny tsy harahiny. (...)
Ho avy ny andro hanaovan'i Satana fahagagana eo imasonareo sy hilazany fa izy no Kristy; koa raha tsy miorina tsara amin'ny fahamarinan 'Andriamanitra ny tongotrareo, dia hiala amin'ny fanorenana ianareo. Ny hany fiarovana ho anareo dia ny mikatsaka ny fahamarinana tahaka ny harena miafina. Katsaho tahaka ny fikatsahanareo harena eto an-tany ny fahamarinana, ka ento eo anatrehan'ilay Rainareo any an-danitra ny Tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly, ary lazao hoe: "Hazavao aho; ary ampianaro ahy ny atao hoe fahamarinana." Ary rehefa tonga ao am-ponareo ny Fanahiny Masina mba handrakitra ny fahamarinana ao amin'ny fanahinareo, dia tsy havelanareo handeha mora foana Izy. — RH, 3 Avrily 1888.