’’Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.’’ 2 Tim. 3:16.
Mofon'aina:
Tokony handroso amin’ny fahalalana, hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fanandramana kristianina, hikolokolo fahazarana sy fomba fanao izay hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny Teniny, ny mpampianatra ny fahamarinana. Tokony haneho amin’ny hafa ny fomba fampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana izy. Isaky ny mandroso fahaizana masina isika, amin’ny fianarana isan-karazany, dia hanampy antsika hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra izany; ary ny fandinihana ny Soratra Masina dia manampy antsika amin’ny fianarana ireo taranja hafa ilaina amin’ny fanabeazana.
Vao mamaky voalohany ny Baiboly ny mpandinika mazoto dia mitombo haingana ny fahalianany. Ny lesona azony avy amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia ahafahany mahita zava-baovao sy fahatsarana tsy mbola hitany teo aloha ao amin’ny fahamarinana. Manjary mora sy mandeha ho azy ho an’ny mpandinika Baiboly ny manonona andinin-tSoratra Masina rehefa miresaka.
Ambonin’ny zavatra rehetra dia mila miezaka fatratra ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mba hanana sy hahatakatra ho an’ny tenany ireo porofo ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra. (...)
Ny fahamarinana dia fahamarinana. Tsy azo fonosina amin-javatra tsara tarehy izy mba hahatalanjona ny olona noho ny endriny ivelany. Ny tokony hataon’ny mpampianatra dia izay hahatonga ny fahamarinana ho mazava, haharesy lahatra ny saina sy ny feon’ny fieritreretana. Sabatra roa lela maranitra ny Tenin’Andriamanitra izay manapaka amin’ny andaniny roa. Mivantana sy mahitsy ny fandrosony fa tsy mitavozavoza na miahanahana.
Maro no niaro ny fivavahana kristianina teo anatrehan’ny tsy mpino kanefa avy eo very tao anatin’ny fandriky ny fisalasalana ny fanahiny. Azon’ny tazom-panahy izy ireo, ary maty ara-panahy. Nanana fonjan-kevitra matanjaka nanohanana ny fahamarinana izy ireo, nanana porofo maro ivelany, saingy tsy naharitra ny finoany an’i Kristy. Oh, an’arivony maro no milaza ny tenany ho Kristianina nefa tsy mianatra na mandinika ny Baiboly mihitsy! Diniho amim-bavaka ny Tenin’Andriamanitra masina mba hahasoa ny fanahinao. Rehefa mandre ny tenin’ny mpitory velona ianao, raha manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra izy ireo, dia ho hitanao fa mifanaraka tsara ny Fanahy sy ny Teny. – RH, 20 Avrily 1897.