"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany." - 1 Kôr. 12:4,5.
Mofon’aina:
Diniho tsara ny Soratra Masina. Tsy mitovy ny asa nankinin' Andriamanitra tamin'ny tsirairay. Ao anatin'ny drafiny ny hisian'ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana. Rehefa dinihina sy arahina ny planin'Andriamanitra dia hihena kokoa ny fifandonana eo amin'ny fanaovana ny asany.
"Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena." - Rôm. 12:4. "Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena, - amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena, -koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana? Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka nY sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?" - 1 Kôr. 12:14-19.
"Ary hianareo no tenan'i Krisi ka samy momba ny tenany avoi araka ny anjaranareo avy. A Andriamanitra efa nanendry ny sasa teo amin'ny fiangonana, voaloha apostoly, faharoa mpaminany, fahate mpampianatra, manaraka iza dia fahagagana, dia fanomeza pahasoavana ho enti-mahasitrana, • fanampiana, dia fitondrana, dia fite samy hafa tsy fantatra." - 1 Kôr. 12:2 28.
(...) Aoka isika hiambina fandr, hifantoka amin'ny tenantsika fisainantsika ka heverintsika fa t manompo an'Andriamanitra ny ha raha tsy manao ny asa mitovy amin'iz ataontsika.
Tsy tokony hilaza izao na oviana oviana ny mpiasa iray: "Tsy te hiar miasa amin'ny olona tahaka izao satria tsy mitovy fomba fijery am izy. Aleoko miara-miasa amin'ny olo miombon-kevitra amin'izay lazai ary manaraka ny hevitro rehetra Mety hanana fahamarinana toko hambara (...) ilay olona tsy tian'iz mpiasa izany hiaraha-miasa. Noho fandavany tsy handray ny fanampia avy amin'ny Tompo anefa, d manjary mandeha ila ny asa. - PUR, Desambra 1904.