"Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan'ny haren'Ilay miasa mahery ao anatiko." - Kôl. 1:29.
Mofon’aina:
Napetrak' Andriamanitra tamin'ny olombelona ny asany masina, ary takiny ny hanaovan'izy ireo izany amim-pitandremana. (... ) Be loatra ny zavatra enjehiny atao eo amin'ny fiainana. Mampihemotra ho amin'ny rahampitso ny zavatra mila ny fifantohany androany izy ka very fotoana betsaka amin'ny fanatrarana ireo zavatra natao ankilabao. Azon'ny lehilahy sy ny vehivavy atao ny manatratra fatra ambony kokoa amin'ny fanasoavana ny hafa ka tsy hitondra toe-tsaina sy fihetsehampo miiba mandritra ny fiainany. Azony atao ny miala amin'ireo kileman-toetra noraisiny hatramin'ny fahazazany. Tahaka an'i Paoly, azon'izy ireo atao ny miasa mba hanatratra fenitra ambony kokoa amin'ny fahatanterahana.
Tsy tokony hitsitapatapaka ny fanaovana ny asan'Andriamanitra. Tsy araka ny fahataitairana no tokony hanatanterahana izany. Tsy izany, fa ilaina indrindra ny manao ny asa tsara amim-paharetana, isan' andro isan' andro, ka mihamandroso eo amin'ny fomba fanaovantsika izany. Tsara ny mifoha amin'ny ora tsy miovaova. Raha atao tsirambina ny asa mandritra ny andro, ary lanina amin'ny fanonerana ny fotoana lany ny alina, dia ho hita eo amin'ireo andro manaraka izany ny saina sasatra sy ny vatana torovana. Fandikana ankitsirano ny lalàn'ny fiainana sy ny lalàn'ny fahasalamana izany.
Tokony tsy hiovaova ny ora fifohazana, ny fiarahan'ny mpianakavy mivavaka, ny fisakafoana ary ny ora fiasana. Adidy ara-pivavahana ny mihazona izany ho fitsipika (...) amin'ny fampiharana hentitra. Maro no mandanilany foana ireo ora sarobidin'ny maraina satria antenainy fa azony atao ny mamita ny asa nataony an-tsirambina mandritra ireo ora tokony hatoriana. Misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fivavahana sy ny fahasalamana ary ny fahombiazana izany tsy fisian'ny rafi-pivavahana marina izany. (...)
Tokony hiala amin'ny fomba fiasany mitaredretra ny mpiasa sasany ka hianatra hanao asa mailamailaka. Ilaina ny fahakingana sy ny fahamailahana. Raha tiantsika ny hiasa araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy maintsy atao amin'ny fomba mailaka izany kanefa amim-pifantohana sy amim-pitandremana tsara. - MR 8:326, 327.