"Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro." - Apôk. 1:3.
Mofon’aina:
Raha manakaiky ny fifaranan'ny tantaran'ny tany isika dia tokony handinika manokana ireo faminaniana mifandraika amin'ny andro farany. Feno fahamarinana izay tokony ho takatsika ny boky farany ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nohajambain'i Satana ny sain'ny maro mba hahitan'izy ireo fialan-tsiny samihafa tsy handinihana ny Apôkalipsy. (...)
Tokony hodinihina akaiky sy amim-pahazotoana kokoa io boky io [Apôkalipsy]; fanehoana ny fahamarinana amin'ny fomba hentitra kokoa no hita ao, fahamarinana izay mahakasika ny olona rehetra velona amin'izao andro farany izao. Izay rehetra miomana hitsena ny Tompo dia tokony handinika io boky io amim-pahamatorana sy amim-bavaka. Araka ny anarany mihitsy io boky io — fanambarana mikasika ireo toe-javatra manan-danja indrindra izay hiseho amin'ny andro farany amin'ny tantaran'ny tany. Natao sesitany tany amin'ny nosy Patmôs i Jaona noho ny fitokiany (...) tamin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Kristy. Tsy nampisaraka azy tamin'i Kristy anefa ny fanokana-monina azy tany. Namangy ity mpanompony mahatoky ity tany an-tsesitany ny Tompo ary nampahafantatra azy ny zavatra ho tonga amin'izao tontolo izao.
Manan-danja lehibe ho antsika izany fampahafantarana izany satria velona amin'ny andro farany eo amin'ny tantaran'ny tany isika. Tsy ho ela isika dia hahita ny fahatanterahan'ireo toe-javatra izay nambaran'i Kristy tamin'i Jaona. Raha mitory ireo fahamarinana lehibe ireo ny mpitondra hafatry ny Tompo, dia tokony ho tsapan'izy ireo fa mahakasika ny mandrakizay ny zavatra resahiny ka aoka izy hangataka ny batisan'ny Fanahy Masina, mba hitenenany ny teny izay nomen'Andriamanitra azy holazainy fa tsy ny teniny manokana. (...)
Efa mananontanona antsika ireo loza hiseho amin'ny andro farany, ary tokony hampitandrina ny olona ny amin'ny loza hianjera aminy isika eo amin'ny asantsika. Aoka tsy havelantsika amin'izao fotsiny ka tsy horesahina ireo toe-javatra miezinezina izay nambaran'ny faminaniana fa hitranga tsy ho ela. (...) Haneho fahalianana lehibe amin'ireo fahamarinana hita ao amin'io boky io ireo izay hiara-miasa amin'i Jesôsy Kristy Tompontsika (...). - ST, 4 Jolay 1906.