"Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin 'izay ratsy." - Rôm. 16:19.
Mofon’aina:
Nahasahy nandika ireo fitakian' ny Tompo i Adama sy i Eva, ary tokony ho fampitandremana ho antsika mba tsy hanarahantsika ny ohatry ny tsy fankatoavana nasehon'izy ireo ny vokatra mahatsiravin'ny fahotany. Izao no vavaka nataon'i Kristy ho an'ireo mpianany: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." - Jao. 17:17. Tsy misy fanamasinana tena izy afa-tsy izay amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Ireo izay tia an'Andriamanitra amin'ny fony rehetra dia ho tia ny didiny koa. (...)
Tsy niova ny toetran' Andriamanitra. Izy ihany ilay Andriamanitra saro-piaro izay nanolotra ny lalàna tao Sinay sy nanoratra izany tamin'ny rantsan-tanany teo amin'ny vato fisaka. Mety hilaza ireo izay manitsakitsaka ny lalàna masin'Andriamanitra hoe: "voamasina aho" nefa samy hafa tanteraka ny hoe "voamasina" sy ny mitonona ho voamasina.
Tsy nanova ny lalàn' Andriamanitra ny Testamenta Vaovao. Mbola mafy orina tahaka ny seza fiandrianan'i Jehôvah ny fahamasinan'ny Sabata ao amin'ny didy fahefatra. Izao no nosoratan' i Jaona: "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy. Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy." - 1 Jao. 3:4-6.
Azontsika atao ny manombana ny olona tahaka izay nataon'ilay mpianatra malala, raha toa izy ireo milaza ho mitoetra ao amin'i Kristy sy nahazo fanamasinana kanefa mandika ny lalàn'Andriamanitra. (...) Hoy izy: "Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin 'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin 'ny voalohany." - and. 7,8a. Fomba fiteny mazava no nampiasain'ny apôstôly eto noho ny fiheverany fa manan-danja ny fanaovana izany.
Toe-tsain 'ny fitiavana no nampirisihin'ireo epistily nosoratan'i Jaona, saingy rehefa miresaka momba ny sokajin'olona mandika ny lalàn'Andriamanitra nefa mitonona ho tsy manam-pahotana izy, dia tsy misalasala mampitandrina azy ireo ny amin'izany famitahana mahatahotra izany [1 Jao. 1:6-10]. - SL, tt. 67-69.