"Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin 'ny handrinareo." - Deo. 11:18.
Mofon’aina:
Tokony ho voasokitra ao amin'ny fanahy tsirairay tahaka ny nosoratana tamin'ny penina vy ireo teny ireo (Deo. 11:13-28 sy ny Deo. 7:6-11). Mitondra ny valisoany ny fankatoavana, ary ny tsy fankatoavana kosa mitondra ny famaliany.
Nomen'Andriamanitra toromarika mazava ny vahoakany (...) mba hahazoan'izy ireo fanandramana tsy misy hokianina eo amin'ny fanompoana Azy ary hahatonga azy ireo ho afaka hijoro ho mpandresy manoloana ny mponin'ny lanitra manontolo sy ny tontolo lavo. Tokony handresy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny vavolombelony izy ireo. Ireo izay tsy nanao ny fiomanana nilaina ho amin'izany dia hisaina ho tsy misaotra sady tsy marina.
Entin'ny Tompo amin'ny lalana tsy fantatr'izy ireo ny vahoakany mba hizahany toetra azy. Ity tontolo ity no toerana izahan-toetra antsika. Eto no anapahantsika hevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay. Mampietry ny olony Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapony amin' ny alalan'izy ireo. Tahaka izany no nataony tamin'ireo zanak'Isiraely raha nitarika azy namakivaky ny efitra Izy. Nambarany tamin'izy ireo ny ho niafarany raha toa Izy tsy nanatsotra ny Tanany hiaro azy ireo amin'izay mety ho nanisy ratsy azy. (...)
Mitahy ny asan-tanan'ny olom-belona Andriamanitra mba hahafahan' izy ireo mamerina Aminy izay tokony ho anjarany. Tiany raha hampiasain'izy ireo amin'ny fanompoana Azy ny volany mba hahavanom-boa ny voalobony. Tsy maintsy mandinika izay ho nataon'ny Tompo izy ireo, raha tahiny teo amin'ny toerana nisy azy Izy. (...)
Aoka izy ireo haneho tsy fitiavan-tena eo amin'ny fandraisany anjara amin'ny asan' Andriamanitra izay tontosaina eto an-tany. (...) Aoka hotsaroantsika fa mpiara-miasa amin' Andriamanitra isika. Tsy ampy hoentintsika miasa irery ny fahendrentsika. Efa notendren' Andriamanitra ho mpitantana ny fananany isika, mba hizahana toetra antsika, eny, tahaka ny nizahany toetra ny Isiraely fahiny. Tsy tiany raha miaramila tsy manaraka fitsipika sy tsy voamasina ary tsy azo ianteherana no ao amin'ny tafiny, satria haneho dika vilana ny toetrany (...) izany. - RH, 8 Oktôbra 1901.