"Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona." — Asa. 5:29.
Mofon’aina:
"I lay foto-kevitra izay nijoroan'ny mpianatra tsy tamin-tahotra ho setrin'ny baiko natao taminy tsy hiteny intsony amin'ny anaran'i Jesosy, ka nampiteny azy hoe: «Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra» - Asa. 4:19, mbola io ihany no nitoloman'ireo niandany tamin'ny Filazantsara hotazonina nandritra ny Fanavaozana ara-pivavahana. Tamin'ny taona 1529, rehefa nivory tany Diète any Spire ireo andriandahy Alemana nanatrika ny filankevitry ny fanjakana foibe, dia niseho tao ny didy navoakan'ny Amperora mametra ny fahafahana ara-pivavahana, ary misakana izay rehetra mety ho fanaparitahana ny foto-pinoana nohavaozina. (...) Hotampenana tsy hahatratra ny olona marobe mbola ao amin'ny haizina ve ny fahazavan'ny Filazantsara? Zava-dehibe indrindra no ho vokatr'izao ho an'izao tontolo izao. Nifamory ireo nanaiky ny finoana nohavaozina ka izao no fanapahan-kevitra lanin'ny rehetra: «Holavintsika ny didy. Rehefa mikasika ny feon'ny fieritreretana, dia tsy manan-kery ny maro an'isa». Merle d'Aubigné, Tantaran'ny Fanavaozana ara-pivavahana, b. 13, toko 5.
Tokony hotazonina mafy io foto-kevitra io amin'izao androntsika izao. Amin' izao ady farany izao, dia nafindra eto am-pelatanantsika ilay fanevan'ny fahamarinana sy ny fahafahana ara-pivavahana nasandratr'ireo nanorina ny fiangonan'ny Filazantsara avo sy ireo vavolombelon'Andriamanitra nandritra ireo taonjato maro efa lasa hatramin'izay. (...) Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin'Andriamanitra ny fitondram-panjakan'olombelona, ka hampianatra ny fankatoavana azy ho adidy marina, eo amin'ny faritra mifanaraka amin'ny lalàna isika. Rehefa manohitra ny fitakian'Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia Andriamanitra no tsy maintsy ekena mihoatra noho ny olona (...) Tsy azo ialana ny «izao no lazain' i Jehovah» ho solon'ny hoe «izao no lazain'ny fiangonana» na ny ho «izao no lazain'ny fanjakana». (...)
Tokony hoheverina tsara ny tenintsika (...) sao mametraka antsika eo amin'ny toerana izay hilazana fa toa manohitra ny lalàna sy ny filaminana ny teny ataontsika. (...) Tokony handroso amin'ny anaran'i Kristy isika, ka hiaro ireo fahamarinana nankinina tamintsika. Raha raran'ny olona hanao io asa io isika, amin'izay isika dia afaka hiteny tahaka ny apostoly «(...) Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay». — VM, tt. 62,63.