"Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany." - Kôl. 3:20.
Mofon’aina:
Ny zanaka tsy manaja sy tsy mankatà ny ray aman-dreniny, ary manao tsinontsinona ny torohevitra sy ny fampianarany, dia tsy manana anjara any amin'ny lanitra sy tany vaovao. Tsy ho an'ny zanaka lahy sy vavy mpikomy, tsy mpankatà, na tsy mahay mankasitraka ny tany vaovao efa nodiovina. Raha tsy mianatra mankatô sy milefitra dieny eto izy ireo dia tsy hahay mihitsy; tsy avela hosimban'ireo zaza maditra tsy azo anarina sy fehezina ny fiadanan'ireo voavotra. Tsy misy mpandika lalàna mahazo mandova ny fanjakan'ny lanitra.
Amin'izay rehetra ataon'ny tanora, na teny na fihetsika, dia takina hanao izany amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izy ireo, ka hisaotra an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany. Hitako fa vitsy monja ny tanora mahatakatra ny atao hoe Kristianina, na manana toetra tahaka ny an'i Kristy. Mila mianatra ireo fahamarinana ao amin'ny tenin' Andriamanitra izy ireo vao afaka mampifanaraka ny fiainany amin'ny ohatry omena ao. Tsy misy iray amin'ny roapolo ny tanora manana fiainana misaraka amin'izao tontolo izao, izay takin'ny Tompo amin'ireo rehetra maniry ho isan'ny ankohonany (...) "Koa mivoaha eo aminy hianareo, k misaraha aminy, hoy Jehovah. 'Ar aza manendry izay zavatra tsy madio ary Izaho dia handray anareo. Ary h( Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovad Tsitoha." — 2 Kôr. 6:17,18.
Fatratra izany teny fikasana izany saingy ho an'izay mankatô ihany Tsy maintsy misaraka amin'ireo havana aman-tsakaiza ve ianao rehefa manapa-kevitra ny hankatò ireo fahamarinana ambony ao amin'ny tenin'Andriamanitra? Mahereza, efa vonona hanampy anao Andriamanitra manatsotra ny sandriny handray anao Izy. (...) Raha misy tsy maintsy afoinao raha tsy maintsy mandao ny raina( ianao, na ny reninao, na ny iray tampo aminao, na ny vady aman-janakao noho ny amin'i Kristy, dia tsy ho ory namana ianao tsy akory. Manjary isan'ny ankohonan' Andriamanitraianao, zanakalahy sy zanakavavin'Ilay Mpanjakan'ny lanitra. Inona indray ny toerana ambony irinao mihoatra noh izany? Tsy efa ampy ve izany? — TFC b. 1, tt. 497-510.