"Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an 'iza na ho an 'iza, dia mpanompon 'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin 'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?" Rôm. 6:16.
Mofon’aina:
Tsy niato mba handinika ny vokatry ny tsy fankatoavany i Adama. (...) Manana tombontsoa isika MS/ aoriana, afaka mahita marina ny atao hoe mandika ny didin'Andriamanitra. Nanaiky ho resin'ny fakam-panahy i Adama, ary satria aseho mazava eo anoloantsika ny momba ny fahotana sy ny aterany, dia hitantsika tsara ny antony sy ny vokany, ka fantatsika fa tsy ny habe na ny hakelin'ny zavatra atao no maha-fahotana ny fahotana, fa ny tsy fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra efa nambara, izay azo lazaina ho fandavana an'Andriamanitra sy ny lalàm-panjakany.
Ao amin'ny fankatoavan'ny olona ny lalàn'Andriamanitra no misy ny fahasambarany. Voahodidina fefy sy voaro amin'ny ratsy izy ireo raha manao izany. Tsy mety ho sambatra izy ireo raha miala amin'ny fitakian'Andriamanitra efa voafaritra, ary tsy ho afaka hametraka fitsipika ho an'ny tenany ka tsy hahita loza. Raha izany mantsy dia hisy ny fitsipika isan-karazany natao hahafa-po ny saina samy hafa, ary horombahin'ny olombelona eo am-pelatanan'Andriamanitra ny fifehezana ny fanjakany. Hatsangana ny lalàn'ny "izaho", ka ny sitrapon'ny olombelona no hanjary faratampony. Ary rehefa aseho ny sitrapon'Andriamanitra ambony sy masina mba hankatoavina sy hajaina ary homem-boninahitra, dia izay sitraky ny fon'ny olombelona sy ny heviny ihany no harahiny, ka hifanipaka ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra.
Nanapaka ilay rojo volamena nampiray ny sitrapon'ny olombelona tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanjary zavatra tsy voatery atao ny mankatô. Ny fisainana rehetra avy amin'ny fony no narahin'ny olombelona, ka nahatonga an'Andriamanitra niteny momba ireo mponina talohan'ny Safodrano hoe: "ratsy ihany mandritra ny andro". Hoy ny Tompo Jesôsy hoe: "tahaka ny nitandremako ny didin 'ny Raiko." Tamin'ny fomba ahoana? Tamin'ny maha-olombelona Azy. "Inty Aho tonga (...) ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako", hoy Izy. (. . .)
Namela ohatra mazava tokony hotahafintsika I lay Zanaka lahitokan'Andriamanitra mandrakizay, tamin'ny alalan'ny teniny sy ny oha-piainany. — MR, b. 6, tt. 337-339.