"Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:13.
Mofon’aina:
Tsy hahita ny Tompontsika amim-piadanana velively isika raha tsy madio tsy misy pentina ny fanahintsika. (...) Tsy maintsy alefitra eo ambanin'ny sitrapon'i Kristy ny fisainana tsirairay. Araka ny voalazan'ny apôstôly dia tsy maintsy "mahatratra mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy" isika. Tsy ho vitantsika mihitsy izany raha tsy misy ezaka mafy ataontsika. Tsy maintsy mitolona isan'andro amin'ny faharatsiana eny ivelany sy ny fahotana ao anaty isika raha tiantsika ny hanana ny fahatanterahan-toetra kristianina.
Izay manatanteraka izany asa izany dia hahita fa be tokoa no mila ahitsy eo aminy, ary hanokana fotoana betsaka hivavahana izy, sy hampitahana ny tenany amin'ilay fenitra lehiben'Andriamanitra, dia ny lalàny, hany ka tsy hanam-potoana hiresadresahana na hifosana ny hafa noho ny fahadisoany, na koa hitsikerana ny toetran'ny hafa. Tokony hahatonga antsika hanetry tena sy handini-tena lalina ny fahatsapantsika ny tsy fahatanterahantsika, andrao verintsika ny fiainana mandrakizay (1 Kôr. 13:5). (...)
Raha tsy ialan'ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra ny toetrany feno tsy firaihana sy ny hevi-disony momba ny atao hoe Kristianina, dia maro amin'ireo izay mihevitra ny tenany fa eo amin'ny lalana mankany an-danitra no ho hita fa eo amin'ny lalana mankany amin'ny fahaverezana. Maro amin'ireo milaza tena ho mpivavaka, izay miavonavona am-po, no hangovitra tahaka ny ravina andalovan'ny tafiotra, raha sokafana ny masony hahita ny atao hoe fiainana ara-panahy marina. Raha mba azo fohazina mantsy ireo mandrimandry manana aretina ireo, ka hahita ny fifanoheran'ny finoana tanany amin'ny toetra asehony andavanandro!
Tsy maintsy manana fifandraisana velona amin'i Kristy isika raha te ho Kristianina velona. (...) Rehefa voamasina ny fihetseham-pontsika dia manjary ataontsika laharam-pahamehana ambonin'ny zavatra hafa rehetra ny adidintsika amin'Andriamanitra. Mila mibanjina mandrakariva an' Andriamanitra amin'ny mason'ny finoana isika, raha tiantsika ny tsy hiovaova fa hitombo hatrany amin'ny fitiavantsika Azy, sy hahafantatra mazava ny toetrany. I Kristy no ain'ny fanahy. Tsy maintsy mitoetra ao Aminy isika ary Izy ao amintsika, raha tsy izany dia ho sampana malazo. — RH, 30 Mey 1882.