"Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. (...)" - Jak. 4:7,8a.
Mofon’aina:
Am-perinasa mandrakariva i Satana; saingy vitsy no mahalala ny zavatra ataony sy ny fahaizany. Mila mivonona ny vahoakan'Andriamanitra mba hahatohitra ilay fahavalo mpamitaka. Izany fanoherana izany no atahoran'i Satana. (...)
Noho ny hery avy any ambony, ny malemy indrindra amin'ny olo-masina dia mahery indrindra ho azy sy ny anjeliny rehetra, ary raha ampandalovina amin'ny fitsapana izy (ilay olo-masina malemy) dia ho hita tokoa ny fahambonian'ny heriny. Vokatr'izany dia tsy re tsaika ny famindran'i Satana sy ny hetsika ataony, ary afeniny ny famelezany. (...)
Miomana ho amin'ny ady farany atao amin'ny fiangonana ilay fahavalo. Miafina tsy ho hita izy, hany ka betsaka no zara raha mino ny fisiany, mainka moa ny asany mampitolagaga sy ny heriny. (...) Hirehareha ho mahavita tena ny olona, ka hanaraka ny fironan'ny fony ratsy indrindra eo ambany fitaoman'i Satana mamabo sy mamitaka, kanefa mbola mihevitra fa Andriamanitra no mitarika azy. Raha sokafana hahita ny Tompo arahiny ny mason'izy ireo, dia ho fantany fa tsy Andriamanitra no tompoiny fa ilay fahavalon'ny fahamarinana rehetra. Ho hitany fa ny fahavitan-tena nireharehany no anisan'ny rojo vy mavesatra indrindra amatoran'i Satana ny sainy tsy mahay mandanjalanja.
Babon'i Satana ny olombelona ka mora mirona hanaraka ny tolo-tsainy sy hanatanteraka ny baikony. Tsy manana hery hanoherana ny ratsy amim-pahombiazana izy ireo. Tsy azony atao ny mampidi-doza ny tenany miatrika io fahavalo tsy mifaditrovana io raha tsy mitoetra ao anatiny amin'ny alalan'ny finoana velona i Kristy, ka mifehy ny faniriany sy manatanjaka azy amin'ny hery avy any ambony. Tsinontsinona avokoa ny fiarovan-tena hafa rehetra ankoatra izany. Amin'ny alalan'i Kristy irery ihany no ahafahana mametra ny herin'i Satana. Fahamarinana miezinezina tokony ho takatry ny rehetra izany. Tsy mitsahatra miasa i Satana, mizahazaha sy mivezivezy eny rehetra eny, mitady izay harapany. Kanefa na manao ezaka lehibe toy inona aza izy dia hampitakemotra azy ny vavaka mafana atao amim-pinoana. Koa raiso ny "ampingan’ny finoana", "hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy." — TFC, b. 5, tt. 293,294.