"Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka (...) ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. (...) Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra." — Gen. 5:22-24.
Mofon’aina:
Alohan'ny hiatrehana ny andraikitra andavanandro dia tokony hanandratra ny fanahy amin'ny vavaka isika. Io fanandratana mangina io dia ho toy ny fofo-manitra eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Ilay Be Voninahitra, ary mandrava ireo fandrik'ilay fahavalo. Ny kristianina miray fo amin' Andriamanitra dia tsy ho resy. Tsy misy afaka mandrava ny fiadanany. Ireo tokin'ny Tenin'Andriamanitra, ny herin'ny voninahitr 'Andriamanitra, ny loharanon-keriny rehetra dia antoka ho fanavotana antsika. Toy izany no niarahan' i Enôka tamin'Andriamanitra. Andriamanitra no tokiny sady tsy nanary azy tamin'ny andro mahory.
Ny vavaka no ain'ny fanahy. Io no tsiambaratelon'ny herin'ny finoana. Tsy misy ahazoana famonjena na feno ny fahatanterahana aza ny fanahy. Ny vavaka dia mampiray ny fanahy amin'Ilay Loharanon'ny fiainana; mampahery ny retsika sy ny hozatry ny fanantenan'ny finoana. Izay manao tsinontsinona ny vavaka na manao an-tsirambina ny azy dia manapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra
Mihena ny herin'ny vavahadin-tsain'ny finoana, ary malemy ny hery sy ny tanjaky ny fanandramam-pinoana.
Ny hamenoan'Andriamanitra ny tsy fahatanterahana misy eo amin'ny olombelona no zava-tsoan'ny vavaka. Inona no zava-tsoa mihoatra noho izany, dia ny fifandraisana amin'ny Andriamanitry ny rehetra? olona malemy, mpanota no afaka miresaka amin'ny Mpamorona azy. Satrintsika aza hiresaka amin'Ilay Mpanjakan'ny tontolo tsy hita fetra. Afaka miresaka amin'i Kristy eny an-dalana izorantsika isika, ary miteny Izy hoe: «Eto ankavananao Aho.»
Afaka mifandray amin' Andriamanitra amin'ny fo isika, afaka miara-mandeha Aminy koa. Mandritra ny asantsika dia afaka milaza Aminy ny fihetseham-pontsika isika kanefa tsy ren'ny sofin'iza na iza. Tsy misy mahafantatra ny fihetseham-po. Afaka misandratra any ambonin'ny tabataban'ny lalambe sy ny firohondrohon'ny milina ny vavaka atao. Amin'Andriamanitra no iresahana ny vavaka ataontsika. — HT, t. 131.