"Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondôny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana." - Mat. 7:7,8.
Mofon’aina:
Ny mpitandrina [sy izay rehetra] maniry hiasa amim-pahombiazana ho famonjem-panahy dia tsy maintsy ho lehilahy sy vehivavy mpianatra Baiboly sy olon'ny vavaka. Manota izay olona miezaka mampianatra Baiboly ny hafa kanefa ny tenany aza manao tsirambina ny fianarany Baiboly. Handositra ho ao amin'ny mandan'ny fahamarinana izay rehetra mahatsapa ny tombam-bidin'ny fanahy, ka ao no hanomezana azy fahendrena, fahalalana, tanjaka, ary hery avy any ambony hanaovana ny asan'Andriamanitra. Tsy tokony ho tafandry mandry izy ireo raha tsy mahazo ny hosotra masina avy any ambony. Zava-manan-danja loatra no voakasika ka tsy tokony ho sahy hanao tsirambina ny fandrosoany ara-panahy izy ireo.
Ry mpanompon'i Kristy izay nanankinan'Andriamanitra ny lalàny, fahamarinana tsy mamim-bahoaka no eo an-tananareo. Tsy maintsy torinareo amin'izao tontolo izao izany fahamarinana izany. Tsy maintsy atao ny fampitandremana (...) ho fiomanana ho amin'ilay andro lehiben'i Jehôvah. Tsy maintsy manatratra ireo izay mafy fo noho ny fahotana sy ny fitiavana izao tontolo izao ianareo. Hampiray anareo amin'Andriamanitra ny amim-bavaka tsy mitsahatra sy ny fahazotoana manao ny tsara (...) Hanjary hanan-kery handresy lahatra sy hanova fon'olona ny fanambaranareo. Tsy hanjavozavo ny fahazavanareo, fa ho voazava tsaran'ny fahazavana avy any an-danitra ny lalanareo. Mahery Tsitoha Andriamanitra, ary mameno ny lanitra ny hazavana. Ny anjaranareo dia ny mampiasa ireo fitaovana nomen'Andriamanitra anareo mba hahazoana ny fitahian'ny lanitra.
Aoka haharitra amin'ny fivavahana. Hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana, na hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana ianareo. Andraikitra mahatahotra no nomena hiantsorohanareo. Miangavy anareo aho hanararaotra ny fotoana. Manakekeza an'Andriamanitra amin'ny fitalahoana amim-bavaka, dia ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona ianareo, izay mamoa amin'ny fotoany. (...) Manatèna fotsiny an'Andriamanitra ka hazôny amin'ny teniny Izy, ary aoka ny asanareo hotohanan'ny finoana velona ny teny fikasany. Tsy mitaky teny tsara rafitra na hevitra tsara lahatra ao amin'ny tonom-bavakao Andriamanitra, fa fo torotoro sy manetry tena ary vonona hianatra Aminy an-tsitrapo no ilainy. —RH, 8 Aogôsitra, 1878.