« Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. » Zak. 13:6.
“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany” – Apôk. 21:1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. (...)
Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra; hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. (...) Hoy ny mpaminany raha mibanjina an’i Kristy ao amin’ny voninahiny izy: “Misy famirapiratana toy ny mazava, ary misy tana-masoandro avy eo am in’ny tanany; ary ao no fieren’ny heriny” - Hab. 3:4. Amin’io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan’ny ra nampihavana ny olombelona tamin’Andriamanitra no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy, ao no “fieren’ny heriny”. “Mahery ka mahavonjy” Izy amin’ny alalan’ny soron’ny fanavotana; noho izany dia manan-kery hampihatra famaliana amin’ireo izay nanamavo ny famindrampon’Andriamanitra Izy. Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’i Kristy.
Ny hazo fijalian’i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran’ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao amin’i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo. Tsy hohadinoina na oviana na oviana fa Ilay (...) Malalan’Andriamanitra (...) dia nietry mba hanandratra ny olombelona lavo; nitondra ny heloka sy ny fahafaham-baraka noho ny fahotana; nizaka ny nanafenan’ny Ray ny tavany, mandra-pahavaky ny fony noho ny vesatry ny ozon’izao tontolo izao ka nahatorotoro ny ainy teo amin’ny hazo fijalian’i Kristy. Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao (...) no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany aman-danitra sy hahatonga azy hiankohoka Aminy. Rehefa mijery ny Mpanavotra azy ireo firenena voavonjy ka mibanjina ny seza fiandrianany izy ireo, izay haharitra mandrakizay mandrakizay, ary ho fantany fa tsy hanam-pahataperana ny fanjakany, dia hanandratra ny hiram-piravoravoany izy ka hanao hoe: “Mendrika, mendrika ny Zanak’ondry Izay efa novonoina, ka efa nanavotra antsika ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny rany sarobidy indrindra!” – Ma, t. 362.