Ū"Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsanganaJesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina."- Jao. 7:37,38.
Imbetsaka ao amin'ny filazantsaran'i Jaona no ahitana an'i Jesôsy manao fanambarana mivantana momba ny Tenany, mikasika ny hoe: Iza moa Izy? Ary hanao inona no nahatongavany
Ohatra iray hafa amin'ny fanambarana ataon'i Jesôsy momba ny Tenany io voalaza ao amin'ny Jao. 7:37,38 etsy ambony io, mikasika ny maha-Izy Azy sy ny hataony ho an'izay rehetra manatona Azy. Fanambarana manaitra koa ireo.
Rehefa nandray fitenenana teo amin'ireo Jiosy nanatrika ny andro firavoravoan'ny Tabernakely i Jesôsy , nanao ahoana ny fihetsiky ny ankamaroan'ny vahoaka? Jao. 7:37-53.
Ny sasany nilaza fa Izy no Ilay mpaminany tahaka an'i Mosesy izay efa voalaza ela tany aloha (jereo ny Deo. 18:15-19). Ny hafa nieritreritra fa i Jesôsy no Kristy, saingy niteraka adihevitra ny hoe: ny Mesia dia tsy ho avy any Galilia fa tsy maintsy ho taranak'i Davida, sy teraka tao Betlehema. Nahafeno izany fepetra rehetra izany tokoa anefa i Jesôy (ampitahao amin'ny Mat. 1-2), na dia maro aza no toa tsy nahalala izany!
Na ireo mpiandry raharaha natao hisambotra Azy aza dia sanganehana ny Aminy sy ny teny nambarany. Dia fanontaniana hafa no namalian'ny Fariseo azy ireo: "Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?" - Jao. 7:48. lo fanontaniana io no nohararaotin'i Jaona hiresahana indray momba an'i NikOdemosy, izay rehefa avy niresaka tamin'i Jesôsy dia niezaka ny hiaro Azy tamin'ny teti-dratsin'ireo. "Moa manameloka olona va ny lalantsika, raha tsy mbola nihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?" - Jao. 7:51, hoy i Nikôdemosy.
Efa nanaiky an'i Jesôsy ho Mesia tokoa ve i Nikôdemosy ? Na dia tsy ahitana ny porofon'ny fanekeny aza ity toe-javatra ity, ny Baiboly dia manome porofo mazava fa teo anelanelan'ity fihetsika nasejhony ity sy ny nataony taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy (jereo ny Jao. 19:39,40), dia nanjary nino an'i Jesosy izy. Koa "eny" ny valin'io fanontaniana io; nisy Fariseo anankiray mba nino an'i Jesôsy ihany raha ny marina. Vakio ny Jao. 7:49.
Inona no nolazain'ireo mpitondra fivavahana, izay naneho ny fanaovany tsinontsinona ireo vahoaka nanaraka an'i Jesôsy? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany?