"Mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba , na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza, dia amin'ny hisehoan’i Jesôsy Kristy." - 1 Pet. 1:7.
Mofon’aina:
Tsy maintsy iharan'ny sazin'ny fandikan-dalàna izay miasa manohitra ny lalàn'ny zavaboary. Nefa miantra antsika ny Mpamonjy na dia ny vokatry ny toetra ratsintsika ihany aza no mankarary antsika. Misy hery mahasitrana antsika ao Aminy. (…)
Hita hatraiza hatraiza ny vokatry ny ozon'ny fahotana. Aoka isika hidera an'Andriamanitra fa any amin'ny tany vaovao dia "tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy" — Apôk. 22:3. Vitsy monja no tena mahafantatra ny atao hoe fanompoana marina. (...) Mba hahaizantsika manompo ny Andriamanitry ny lanitra dia tsy maintsy manompo Azy ankehitriny isika, mifankazatra Aminy sy mianatra mba ho mpanompo mahatoky. (...)
Tombon-tsoantsika ny mahatakatra ny Teny masin'Andriamanitra. Marina fa efa lavo isika, kanefa tsy natao hitoetra ao anatin'ny fahotana. Nomena antsika ny fomba handresena, "Fa toy izao no nitiavan 'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:16. (...)
Ho avy ny fakam-panahy. Rehefa manaloka ny lalantsika eo aloha ny haizina mahatsiravina alefan' i Satana, dia aoka isika hamakivaky izany aloka izany amim-pinoana, mba hahatrarantsika Ilay fahazavan'ny fiainana — dia Ilay sady nahary ny olombelona no nanavotra azy tamin'ny rany koa. Lova sarobidin'i Kristy isika. Amim-pinoana velona no tsy maintsy iarahantsika miasa Aminy hahatanteraka ny famonjena antsika. Mihazona sy manohana antsika ny tanany ao anatin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy. (...)
Ireo izay mamikitra amin'ny finoana hatramin'ny farany no ho tafavoaka ao amin'ny afon'ny memy, toy ny volamena voadio impito. Izao no ambaran'i Isaia momba izany: "Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena au any Ofira aza." Isa. 13:12. (...) Tsarovy fa misy Anankiray manaraka ny fihetsikao rehetra, mba hahitany raha ho afaka aminao tanteraka ny tain-drendrika, hatramin'ny farany bitika indrindra. — UL, t. 292.