"Mijery an'i Jesôsy , Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy." - Heb. 12:2.
Mofon’aina:
Tokony hikolokolo fankasitrahana mandrakariva ho an'ireo naneho fitiavana tamintsika tamin'ny fotoan-tsarotra isika. (...) Mihoatra lavitra noho ny fisakaizana asehon'ireo havana sy namana akaiky sy tia antsika indrindra ny fanambaran'i Kristy (...). Voajanahary ho an'ny fontsika ny hikolokolo fitiavana mamy indrindra ho an'ireo nanao zavatra ho antsika na niari-pahoriana noho ny amintsika.
Mamelà ahy hitarika anao hankeo amin'ny toerana nanomboana an'i Kristy ka haneho aminao ilay Zanak'Andriamanitra maty ho solonao. Moa ve tsy hamoha fankasitrahana ao anatinao ny fahitana ny hazo fijalian'i Kristy? Moa ve izany tsy hamafa ny fangatsiahana sy ny tsy firaihana izay manadombo ny fo sy ny saina tsy hihontsona eo anatrehan'ny sorona lehibe natao ho antsika? (...)
Miasa mandrakariva i Satana, ilay fahavalon'ny fanahy, ka mampiasa ireo tetikadiny sy fandrenohany (...). Ny zava-madinika eo amin'ny fiainana no ampitodihany ny fitiavantsika, fa sakanany kosa izany tsy hiantefa amin'ny mandrakizay (...).
Maro loatra ireo izay miaina ao anatin'ny zava-tsarotra sy mandeha amin'ny lalana izay mampanantena tombontsoa amin'ny hoavy na dia famoizan-javatra lehibe tokoa aza no sandan'izany. Mamoy ny fiadanana ankehitriny izy ireo hahazoany valisoa amin'ny hoavy. Ny fiainana mandrakizay anefa no atolotr'i Jesôsy eto mba ho valisoan'ny fankatoavana, ary raha hafoin'ny olona toy izany ny tombontsoa maivamaivan'ny tany mba hahazoany soa amin'ny hoavy, manao ahoana kosa ny tokony hanaovantsika sorona ny fiadanana sy ny fahafinaretana ary ny tombontsoa araka izao tontolo izao mba hahazoantsika ny harena tsy manam-paharoa sy ny voninahitra any amin'ilay fiainana mandrakizay! Aza avela hanaisotra ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy hanamafy ny fontsika eo anatrehan'ny tombontsoa mandrakizay ny fanangolen'ny zava-mahafinaritra eto an-tany. Banjino izay tsy hitan'ny maso. Avelao i Jesôsy hitoetra ao am-po; tiavo amin'ny fanahinao rehetra Izy. TDG, t. 328.