Vakio ny Mar. 9:42-50. Inona no iraisan'ireo fampianarana ataon'i Jesôsy ao amin'ireo andininy ireo?
Amin'ny voalohany dia toa fampianarana maro tsy misy ifandraisany no natambatra eto, izay sady tsy mifanaraka no tsy misy antony. Rehefa dinihina akaiky anefa dia misy teny mampifandray azy amin'ny eo alohany ny fampianarana tsirairay avy. Teny telo manan-danja no ihodinkodinan'ireo andininy ireo, izay mampiditra fampianarana tsikelikely — "mahatafintohina" na "manafintohina" na "mahatonga hanota"(jereo ny DIEM), "afo", ary "sira".
Momba ny "madinika" ny fampianarana voalohany, izay ilazana ireo izay mbola zaza vao amin'ny finoana. Ny andraikitra apetraka amin'ny mpampianatra sy ny mpitarika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia ny miahy sy mikarakara manokana ireo vao niova fo ireo, dia tahaka ny foto-kevitra voalaza ao amin'ny TT momba ny fitsinjovana ireo marefo indrindra teo amin'ny fiarahamonina fahiny ny mpitondratena, ny kamboty, ary ny vahiny. Nampiasa "filaza matavy" i Jesôsy nanambara fa tsara ho an'izay "mahatafintohina" ny "madinika" ny hatsipy any an-dranomasina ho faty an-drano.
lo teny hoe "mahatafintohina" io, na "mahatonga hanota", dia fiandohan’ny fampianarana lava indrindra ao amin'io ampahan-tSoratra Masina io. Misy fanontaniana roa mahavaka ny sain'ny mpamaky eto. Voalohany, tena mampianatra ny olona hanapaka ny tanany na ny tongony, na hanaisotra ny masony ve i Jesôsy? Faharoa, helo misy afo mirehitra mandrakizay tokoa ve no resahiny? Tsia ny valin’ilay fanontaniana voalohany, tsy mampianatra fanapahana rantsam-batana i Jesôsy - tsy neken'ny jodaisma izany (ampitahao amin'ny Deo. 14:1; 1 Mpanj. 18:27-28. Mampiasa "filazana matavy" fotsiny Izy mba hanazavana ny tiany hambara. Raha ratsy amintsika izany kilemaina tsy misy tanana na tongotra, na poa-maso izany dia mainka ratsy lavitra ho an'ny Kristianina ny manota!
Tsia koa ny valin'ilay fanontaniana faharoa. Tsy mampianatra ny fisian'ny helo misy afo mirehitra mandrakizay tsy akory i Jesôsy. Ahoana no hahafantarantsika izany? Voalohany, manana endrika tantara mahatsikaiky io andinin-tSoratra Masina io. Alao sary an-tsaina ireo olona miditra ny tanànan'ny lanitra, toka-maso, mandringa tsy misy tanana ila. Dia saino indray ny amin'ireo olona mankany amin'ny helo, salama tsy misy nanombinana ny vatany. Tsy tokony ho ny mifamadika amin'izany ve? Olona salama tsara ve no tonga any amin'ny helo? Tantara mahatsikaiky izany. Ny fampiasana tantara mahatsikaiky amin'ny lohahevitra matotra toy izao dia maneho amintsika fa fomba nentin'i Jesôsy hanazavana ny hafany izany. Tsy azo hamaivanina tokoa ny fahotana ka aleo tapa-tanana sy tongotra ary poa-maso toy izay hanota.
Manaraka izany, tsy ny afon'ny helo no mandrakizay fa ny vokany. "Fa lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay" - Jao. 3:16 (DIEM). Ringana mandrakizay ireo very fa tsy dorana mandrakizay - Samihafa tanteraka izany!