Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 78; Jona 4:1-4; Mat. 10:8; Mat. 21:12,13; Jer. 51:24,25; Rôm. 12:17-21.
Tsianjery:
"Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany." - Sal. 78:38.
Na asongadina matetika aza ny famindrampon'Andriamanitra, dia manelin- gelina ny maro ny mieritreritra momba ny fahatezerany. Mihevitra izy ireo fa raha fitiavana tokoa Andriamanitra dia tsy tokony hampiseho fahatezerana mihitsy. Diso anefa izany fiheverana izany. Noho ny fitiavany indrindra no mahatonga ny fahatezerany.
Misy olona sasany milaza fa Andriamanitra feno fahatezerana ny Andriamanitra ao amin'ny TT, ary Andriamanitra fitiavana kosa ny Andriamanitra ao amin'ny TV. Kanefa Andriamanitra dia iray ihany, ary aseho ho tsy miova Izy ao amin'ireo Testamenta roa ireo. Mahatezitra Ilay Andriamanitra fitiavana ny ratsy satria fitiavana Izy. Naneho hatezerana manokana manoloana ny faharatsiana i Jesôsy, ary imbetsaka ny TV no mampianatra antsika ny maha- marina sy ara-drariny ny fahatezeran'Andriamanitra.
Mandrakariva dia fihetsika feno fahamarinana asetrin'Andriamanitra ny faharatsiana sy ny tsy rariny ny fahatezerany. Vokatry ny fahatsarany tonga lafatra sy ny fitiavany izany, ary izay mahasoa ny voariny rehetra no kendreny. Araka izany, ny ratsy dia manetsika ny fon'Andriamanitra hiaro ireo izay iharan'ny faharatsiana sy hiady amin'ny mpanao ratsy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 01 Febroary.