"Andriamanitra be fiantrana" ilay Andriamanitry ny Baiboly. Antsoina hoe el rahum Andriamanitra amin'ny teny Hebreo (Deo. 4:31). Midika hoe "Andriamanitra" ny teny hoe "el", ary ny rahum dia teny iray avy amin'ny fototeny hoenti-milaza ny fiantrana (raham). Tsy antsoina hoe Andriamanitra be fiantrana fotsiny anefa Izy fa Andriamanitra saro-piaro (el qana) koa. Toy izao no ilazan'ny Deo. 4:24 izany: "Fa Jehôvah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro [el qana"] Izy." (Jereo ny Deo. 4:24; Deo. 6:15; Jos. 24:19; Nah. 1:2).
Ambaran'ny 1 Kôr. 13:4 fa "tsy mlalona" ("tsy saro-piaro" dikanteny RSV) nyfitiavana. Ahoana àry no ilazana fa "Andriamanitra saro-plaro" i Jehôvah? Vakio ny 2 Kōr. 11:2 ary diniho ny tsy fahatokian'ny vahoakan'Andriamanitra manerana ireo tantaran'ny Balboly (Jereo ohatra ny Sal. 78:58). Ahoana no anampian Ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra ny "fahasaro- piaron" Andriamanitra?
Tsy araka ny tokony ho izy matetika no ahatakaran'ny olona ny "fahasaro- piaron Andriamanitra. Raha lazaina ho vady saro-piaro ny lehilahy na ny vehivavy iray dia tsy azo raisina ho fandokafana velively izany. Matetika ny teny hoe "fahasaro-piaro" no manana heviny miiba amin'ny tenim-pirenena maro. Tsy manana heviny miiba anefa ny fahasaro-piaron Andriamanitra resahina ao amin'ny Baiboly. Fihetsehampo ara-drarin'ny lehilahy tia ny vadiny ka maniry hanana fifandraisana anjakan'ny fahatokiana aminy izany.
Misy ny karazam-pahasaro-piaro mifanohitra amin'ny fitiavana (1 Kor. 13:4), nefa misy koa ny "fahasaro-piaro" tsara sy ara-drariny, araka ny 2 Kor. 11:2. Tondroin'i Paoly ho "fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra" izany (2 Kor. 11:2). Ny fahasaro-piaron'Andriamanitra no hany ara-drariny mandrakariva ary koa azo lazaina ho fitiavana miredareda ny vahoakany.
Ny fitiavana lalina itiavan'Andriamanitra ny olony no mahatonga ny fahasaro- piarony (qana'). Maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana miaraka amin'ny vahoakany Andriamanitra; Izy irery no tiany ho Andriamanitr'izy ireo. Matetika anefa Izy no aseho tahaka ny vady nohamavoina ary tsy mba novaliana ny fitiavana nasehony (jereo ny Hôs. 1-3; Jer. 2:2; Jer. 3:1-12). Araka izany, tsy zava- tsy misy antony ny "fahasaro-piaron""Andriamanitra fa setrin'ny tsy fahatokian'ny olony sy ny faharatsian'izy ireo mandrakariva. Tsy hita ao amin'ny fahasaro- piaron Andriamanitra ny hevitra miiban'ny fahasaro-piaron'olombelona. Tsy mba misy fialonana ao amin'izany fa fihetsehampo ara-drariny izay maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana amin'ny vahoakany ary ny hahasoa azy ireo no tanjon'izany.
Ahoana no hianarantsika haneho izany karazana "fahasaro-piaro" tsara İzany amin'ny hafa, tahaka izay asehon'Andriamanitra amintsika?