Vakio ny Jao. 1:4-10: Jao. 3:19-21; Jao. 5:35: Jao. 8:12: Jao. 9:5; Jao. 11:9,10 ary ny Jao. 12:35. Inona ny zavatra roa lehibe mifanohitra aseho eto, ary nahoana izany fahasamihatana Izany no manan-danja tokoa ho an'ny fahatakarana ny fahamarinana?
Ao anatin'ny haizina izao tontolo izao; mandrehitra hazavana izy saingy tsy mahita samirery ny lalana mankeo amin'ilay Andriamanitra marina, ilay Andriamanitra izay nanao ny Famoronana sy manao fanambarana ary fanavotana.
"Ny maha olombelona samirery dia tsy afaka mahatratra mihitsy ny fahalalana momba an Andriamanitra. 'Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainantsi-hita! ka inona no fantatrao?' (Joba. 11:8). Ny fanahin'ny zanaka natsangana ihany no afaka manambara amintsika ny zava-dalina momba an Andriamanitra, izay 'tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona (...) Dia isika no nanambaran Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy, fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra" - IFM, t. 335, ed. 2023.
I Jesôsy Kristy irery ihany no "nanambara Azy" Ray (Jao. 1:18). Exegeomai no matoanteny grika ampiasaina eto, izay midika hoe "manazava" na "maneho". Maneho an'i Jesôsy amin'ny maha-mpitondra hafatry lanitra Azy i Jaona, dia Ilay iray izay manazava ny hevitry ny hoe mahalala an'Andriamanitra. Amin'ny alalan'i Jesosy irery no hahalalantsika marina an'Andriamanitra.
Vakio ny Jao. 8:42-44. Ahoana no anoritsoritan'i Jesôsy ny fanorenana sandoka izay nampiorenan'ireo mpitarika ara-pivavahana teo amin'ny Isiraely ny finoan'izy ireo?
Miteny araka ny fiheverany manokana ireo izay tsy mijoro amin'ny fahamarinana. "Mahita" ny hevitry ny andalan-teny amin'ny fomba fijerin'olombelona fotsiny ihany izy ireo. Mifanohitra amin'izany ny tsy maintsy anekentsika fa i Kristy no fahazavan'izao tontolo izao sy ny hanarahantsika Azy eo amin'ny fanazavana ny Teniny. Ny devoly kosa "día ny azy no lazainy - Jao. 8:44. Raha tsy mitandrina isika ary koa tsy milefitra tanteraka amin'ny finoana sy ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia tandindomin-doza hanao toy izany koa: hamaky ny teny araka izay irintsika sy ilaintsika ary araka ny fomba fijerintsika fotsiny isika. Mora mihoatra noho izay mety hiheverantsika azy mantsy ny manao izany.
Ahoana no ataonao eo anatrehan'ireo fahamarinana izay "manafintohina" anao raha ampitahaina amin'lzay tokony hataonao eo anatrehan'ireny fahamarinana ireny?