SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 25:8, 9, 40; Heb. 8:1-6; Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; Heb. 9:23-28; Dan. 7:9, 10; Mat. 25:1-13; Apôk. 11:19.
Tsianjery: "Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan’ny Avo lndrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo fa tsy olona. Heb.8:1,2.
Fotoana fohy taorian'ny fahadisoam-panantenan'ny 22 Oktôbra 1844 dia nahatakatra ny fahadisoany ny sasany tamin'ireo Milerita rehefa nivavaka sy nandalina. Tsy mahakasika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany araka ny ahatakarantsika izany ankapobeny ny faminaniana momba ny 2300 andro fa maneho ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, aseho amin'ny fomba mahery vaika ao amin'ny bokin'ny Hebreo.
Ny fanadiovana ny Fitoerana Masina any an-danitra no fahatanterahan'ny fanadiovana ny Fitoerana Masina teto an-tany araka ny ampianarin'ny Levitikosy. Mba hahatakarana bebe kokoa io fahamarinana lehibe io dia andeha hodinihintsika ny fitoviana misy eo amin'ny Dan. 7 sy ny Dan. 8:
Dan. 7 Dan. 8
Babilona ———
Medianina sy Persianina Medianina sy Persianina
Grika Grika
Rôma Rôma
Fitsarana any an-danitra Fanadiovana ny Fitoerana Masina
Ireo fitoviana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny tena toetry ny fanadiovana ny Fitoerana Masina, izay fitsarana famotopotorana lehibe mialoha ny fiavian'i Jesôsy. Ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity no handinihantsika ny fahamarinana ara-Baiboly miankina aman'aina momba ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra.