"Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." - Kôl. 4:5,6.
"Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao hianao?" - Ohab. 6:9. "Mandehana any amin'ny vitsika (...) Diniho ny fanaony, ka mba hendre." - and. 6.
"Tandremo fandrao (...) ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin 'ny fahasoavana sy ny fahalalana an Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy." - 2 Pet. 3:17,18.
"Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny." -Apôk. 12:12.