"Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy." - Mat. 7:15.
"Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano." — Asa. 20:20.
Mofon’aina: Amin' ireo mambran'ny fiangonantsika dia tokony hihamaro kokoa ireo mpitarika fianarana Baiboly isan-tokantrano sy mpampiely boky. Rehefa mamafy eny amoron'ny rano rehetra eny isika dia hahatsapa fa «izay mamafy be, dia be no hojinjany.»
«Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.» - 2 Kôr. 7:1.