Anisan'ny lesona lehibe avy amin'ny tantaran'i Paoly sy ny fanandramany tao Areopago ny tokony hanadihadiana tsara ny toerana hiasana sy handinihana ny fomba tokony hiresahana amin'ireo vondron'olona tsy mpino izay tsy mbola nandre ny fahamarinana; tamin'izany fomba izany no nanjary nampisy vondrona mpino tao Atena.
"Ny teny nataon'ny apostoly sy ny filazana my toetrany sy ny manodidina azy araka izay nomen'ny tsindrimandrin Andriamanitra, dia hafindra amin'ny taranaka mandimby rehetra, ka hitondra vavolombelona ny amin'ny fahatokiany tsy azo hozongozonina, amin'ny herim-pony teo amin'ny naha-irery azy sy teo amin'ny zava-tsarotra ary amin'ny fandresena azony ho an'ny fivavahana kristiana eo anivon'ny fanompoan-tsampy indrindra.
«Harem-pahalalana sarobidy ho an'ny fiangonana ny tenin'i Paoly. Teo amin'ny toerana izay nety nahazoamy nilaza mora foana teny izay nampahatezitra ireto mpihaino azy be rehareha izy, ka nampiditra azy tamin'ny zava-tsarotra izany. Raha namely mivantana ny andriamanitra sy ny olona ambony ao an- tanána ny teniny, dia ny ho tandindomin-doza hitovy fiafarana amin'i Sokraty koa izy. Nefa noho ny fahaizana toetran 'olona nateraky ny fitiavan Andriamanitra, dia notarihiny tamim- pahendrena ny sain 'ireo Ateniana hiala amin'ireo andriamanitra jentilisa, tamin'ny nanambarany taminy llay Andriamanitra marina Izay tsy fantany»-VM, t. 211.
Nahavita zavatra miavaka tao Atena i Paoly; nahatondra harem-pahalalana ho an'ny fiangonana izy noho ny fifandraisany mivantana tamin'ny olona, noho ny fianarany mombany kolontsain'izy ireo sy ny fivavahany, ary noho ny fanajany ny fanoloran'izy ireo tena ho amin'ny zava-panahy. Noezahiny izay tsy hampahatezitra Ireo mpihaino azy. Zava-dehibe vita noho ny fitarihan Andriamanitra izany. Raha ny hevitr'i Ellen G. White dia harem-pahalalana tsy azontsika atao ambanin-javatra ao amin'ity tantara ity izany, amin'ny maha fiangonana antsika.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
- Raha raisintsika ho môdely ny tantaran'i Paoly tao Atena, inona ny dingana voalohany tokony hataon'izay rehetra vao manomboka asa fitoriana eo amin'ny tanana iray?
- Fitondrantena manao ahoana no takina amin'ny Kristianina hanorenana fifandraisana amin'ireo olona ao amin'izany tanána izany (sy any amin'ny foerana hafa rehetra) izay tsy mahafantatra an' Andriamanitra?
- Raha fohina isika mahita ireo karazana sampy ankehitriny, inona no tsy azontsika hatao, indrindra eo am-piandohana, raha vao manomboka asa eo anivon'ny olona manompo sampy?
- Azon'i Paoly natao ny nampahafantatra fotsiny ny momba llay Andriamanitra tia azy ireo ka nijanona hatreo, dia ho nahafa-po ny olona izany. Saingy nihoarany ny fetra, izay nahatonga ny olona hihevitra azy ho mpirediredy foana rehefa niresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty izy. Tokony ho nanao izany ve izy sa tsia? Tohano ny valinteninao.