Hatrany am-boalohany dia naniry ny hampiasain'Andriamanitra hanatanteraka iraka i Abrahama. Hita tokoa ny fahamarinan'izany ao amin'ny Gen. 18 ohatra, rehefa nampahafantatra azy izay hanjo an'i Sôdôma sy Gômôra Andriamanitra. "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehôvah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. " — Amô. 3:7. Ary i Abrahama no "mpaminany mpanompony" ao amin'ny tantaran'i Sôdôma sy Gômôra.
Teo am-pialan-tsasatra i Abrahama, raha nafana ny andro, no nahita mpivahiny telo avy lavitra. "Abrahama, izay nihevitra fa mpivahiny tsotra reraky ny dia izy telo lahy, dia tsy nanampo akory fa ny anankiray taminy dia ambony azony nivavahana." — PM, t. 120, (ed. 2014).
Tsy ela anefa i Abrahama dia nanjary nandray anjara manokana tamin'ny asan'Andriamanitra. Araka ny voalaza ao amin'io toko io, ny anjarany dia ny nivavaka sy nifona ho an'ireo mponin'i Sôdôma sy Gômôra. Izany hoe niriny ho fantatra raha misy fomba ihany azo amonjena ireo ireo olona ireo, izay tsy mahavonjy ny tenany. Amin'ny lafiny iray, tsy izany rahateo ve no votoatin'ny iraka? Sa inona ankoatra izany?
Hita manerana io toko io ireto toetra tsara telo lehibe ara-panahy nananan'i Abrahama ireto: ny fitiavana mampiantrano vahiny, ny fitiavana, ary ny fivavahana — toetra izay manampy be tokoa eo amin'ny fanatanterahana ny iraka.