Vakio ny "The Power of Satan," tt. 341-347 ao amin'ny boky TFC, b. 1.
"Mpifatotri Satana ara-dalána ny olombelona lavo. Ny hanavotra azy amin'ny herin'io fahavalo lehibe io no iraka nampanaovina an'i Kristy. Fironana ao anatin'ny olombelona ny manaraka ny tolo-kevitr'i Satana, ary sarotra ho azy ny manohitra ity fahavalo ratsy ity raha tsy mitoetra ao Aminy i Kristy ilay Mpandresy Tsitoha ka mitarika ny faniriany sy manome hery azy. Andriamanitra irery no afaka mametra ny fahefan'i Satana. Mivezivezy manerana ny tany izy. Tsy mitsahatra miambina izy na dia fotoana fohy aza noho ny fahatahorany andrao misy hirika veriny izay tokony hanimbany fanahy. Zava-dehibe ny hahatakaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, mba handosiran'izy ireo amin'ny fandrika velariny. Manomana ny famitahany i Satana, mba tsy hahatakaran'ireo vahoakan'Andriamanitra ny tena toetrany amin'ny famelezana farany ataony amin'izy ireo. "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." - 2 Kôr. 11:14. Raha miaro ny tsangankevitra momba ny tsy fisiany ireo fanahy voafitaka, dia efa babony sahady, ary miasa amin'ny alalan'izy ireo izy. Fantatr'i Satana tsara mihoatra noho ny fahalalan'ny vahoakan Andriamanitra azy fa afaka handresy azy izy ireo raha ao amin'i Kristy ny heriny. Rehefa mangataka fanampiana amim-panetren-tena amin'ilay Mpandresy lehibe ny mpino ny fahamarinana izay marefo indrindra, dia azony atao ny manohitra an'i Satana sy ny tafiny rehetra raha toa izy miankina tanteraka amin'i Kristy. Fetsy loatra i Satana ka tsy hampiseho miharihary sy amim-pahasahiana ny fakam-panahiny, andrao hifoha ny herin'ny Kristianina izay rendrehana teo ka hiankina amin'ilay Mpanafaka mahery sy Tsitoha izy ireo. Misoko miadana izy, ary miasa tsy misehoseho amin'ny alalan ireo zanaky ny tsy fankatoavana izay mitonona ho mpivavaka." - TFC, b. 1, 1. 341.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Inona no hevitry ny hoe "mpifatotr'i Satana ara-dalana"? Midika ve izany fa azon'ny devoly atao izay tiany hatao amin'ny olona? Raha tsy izany, nahoana? Ahoana no ifandraisan'izany amin'izay antsoina hoe "fitsipika mifehy ny ady" ao anatin'ny fifanandrinana lehibe?
2. Nahoana Andriamanitra no manome fahefana an'i Satana ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, eny fa na dia fahefana voafetra ihany aza izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitadiavan'Andriamanitra hamaly ny fiampangan'i Satana?
3. Inona no avalinao ireo olona, na ny Kristianina aza, izay mandà ny fisian'i Satana ho voary tena misy ary koa manana ny maha-izy azy manokana? Na dia tsy tena azontsika porofoina aza ny fisian'i Satana, inona ny porofo azonao angonina mba hanampiana ny olona iray iharan'ny fitaka lehibe?