"Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony." - Lio. 2:51.
Mofon’aina:
Fony i Kristy roa ambin'ny folo taona dia nankany Jerosalema niaraka tamin'ireo ray aman-dreny mba hanatrika ny andro firavoravoan'ny Paska Izy, ary tsy hitan'izy ireo tao anatin'ireo vahoaka be raha teny an-dalana hody izy ireo. Rehefa avy nikaroka Azy nandritra ny hateloana i Josefa sy i Maria, dia nahita Azy tao an-kianjan'ny Tempoly, "nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany." - Lio. 2:46b-47. (...) Ohatra tonga lafatra ho an'ny tanora rehetra Izy. Naneho fiheverana sy fanajana ny olona amin'ny sokajin-taona rehetra Izy. Na oviana na oviana, tsy mba hitarika ny zaza hivatravatra fiteny sy tsy hahalala fomba ny fivavahan'i Jesôsy.
Talanjona i Josefa sy i Maria rehefa nahita an'i Jesôsy: "ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo?" Nanondro ny lanitra Izy sady nanohy hoe: "tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon 'ny Raiko Aho?" (Lio. 2:48,49). Namirapiratra teo amin'ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra, raha niteny ireo Izy. Nampahazava ny endriny ny fahazavana sy ny voninahitry ny lanitra. (...)
(...) Na dia tao anatin'ny fahazazany aza Izy dia nanao teny fankaherezana sy feno halemem-panahy tamin'ny tanora sy ny antitra. Tsy hain'ny reniny ny tsy hanamarika ireo teny nataony, ny toe-tsainy ary ny fahavononany hankatô teo anatrehan'ny fitakiany rehetra.
Tsy marina loatra ny filazana (...) fa tahaka ny zaza rehetra i Kristy. (...) Maro mantsy ny zaza ratsy taiza sy tsy nobeazina araka ny tokony ho izy. (...) Nampianarina araka ny fahamasinan'ny iraka nampanaovina Azy i Jesôsy. Fifaliana mandrakariva ho an'ireo ray aman-dreniny ny fironany ho amin'ny tsara. Ny fanontaniana napetrany tamin'izy ireo dia nitarika azy handinika amim-pahamatorana indrindra ireo lohahevi-dehiben'ny fahamarinana. Nanokatra ny sain'izy ireo sy nanazava izany ny teny (...) nambarany mahakasika ny zavaboary sy ilay Andriamanitry ny zavaboary. - YI, 8 Septambra 1898.