"Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: fitahiana, raha hohenoinareo ny didin 'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin 'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny làlana izay andidiako anareo anio mba haleha hianareo." - Deo. 11:26-28.
Mofon’aina:
Tsy manana fahafahana hanilika ny fenitra ara-pitondrantena napetrak' Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ka hanangana fenitra mifanaraka amin'ny fisainany voafetra. Noho ny fampitahany ny tenany amin'ny namany sy ny fiainany araka ny fenitra napetrany manokana no mampiavosa ny faharatsiana sy mampangatsiaka ny fitiavan'ny maro. Atao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, izany no mahatonga ny maro handika izany, eny fa na ireo izay nandray ny fahazavan'ny fahamarinana aza dia tsy mafy orina eo amin'ny fahatokiany amin'ny lalàn'Andriamanitra. Moa ve hipaoka azy ireo ny onjan'ny faharatsiana izay misosososo mankamin'ny fahaverezana? Moa ve izy ireo hanohitra ny riana, amin-kerim-po sy amim-pahatokiana, ka hihazona ny fahatokiany amin'Andriamanitra eo anivon'ny ratsy izay mahazo vahana? (...)
Ireo izay mitonona ho manompo an' Andriamanitra dia tokony hanamaivana ny fahorian'ireo mijaly. Tokony hitondra ny voan'ny hazo tsara izy ireo. Ireo tena ao amin'i Kristy marina dia tsy hitondra fanoherana ao an-tokantrano na koa ao am-piangonana. Ireo ray aman-dreny izay manara-dia ny Tompo dia hazoto hampianatra ny zanany ny didy amam-pitsipik'Andriamanitra; tsy hanao izany amin'ny fomba izay hahatonga ny fanompoana an'Andriamanitra tsy hahasarika ny zanany izy. Rehefa tia an'Andriamanitra amin'ny fony manontolo ny ray aman-dreny dia hampihariny sy hampianariny ao an-tokantrano ny fahamarinana araka izay toetr'izany ao amin'i Jesôsy. (...)
Tokony handinika lalina ny tenantsika isika. (...)Aoka isika hangataka fahiratana ara-panahy amin'Andriamanitra mba hahitantsika ny fahadisoantsika sy hahatakarantsika ny kileman-toetrantsika. Raha toa isika mpanakiana sy mpanameloka ny hafa, (...) tia miresaka momba ny fisalasalana sy ny haizina, dia misy asam-pibebahana sy asam-panavaozana tokony hotanterahintsika. Tokony handeha ao amin'ny mazava isika, ary hanao teny mitondra fiadanana sy fifaliana. Aoka hitoetra ao amin'ny fanahy i Jesôsy. Ary ao amin'izay misy Azy no hisy ny hanitry ny toetra soa izay hisolo toerana ny alahelo sy ny fimonomononana ary ny fitarainana. - RH, 12 Jona, 1894.