"Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan 'ny ratsy fanahy (...) Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." - Sal. 1:1,2.
Mofon’aina:
Zava-dehibe indrindra ny hankatoavan'ny olona rehetra ao amin ' ny fanjakan 'Andriamanitra ny lalàn'i Jehôvah, mba hampiorenana tsara ny Voninahiny tsy manam-petra. Ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy dia zahan-toetra eto amin'ity fiainana ity mba hahitana raha toa izy hankatô an'Andriamanitra na tsia. Mahasambatra ny fankatoavana, ary hiantoka ny valisoan'ny fiainana mandrakizay.
Vokatra mahatsiravina no nateraky ny tsy fahombiazan'i Adama teo amin-javatra anankiray, ary nitombo ny fahotana ka nanjary tsy azo refesina izany habeny izany. Ao anatin'ny fikomiana sy ny fihemorana anefa, eo anivon'ireo tsy mahatoky sy tsy mety mibebaka ary mafy hatoka, dia mijery ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny Andriamanitra, ary milaza hoe: "` Tiako izay tia Ahy,' ary hataoko mandova harena maro. (...)
Nivelona araka ireo fitsipiky ny lalàna ara-môralin'Andriamanitra i Kristy, ary tanterany ireo zava-takin'ny lalàn'Andriamanitra rehetra. Nasehony teo amin'ny fiainany maha-olombelona Azy ny mahatsara ny lalàna. Tokony hambara amin'ny firenena rehetra (...), amin'ireo tontolo tsy lavo, amin'ireo anjely sy ny serafima ary ny kerôbima ny maha-masina sy marina ary tsara ny lalàna. Naseho teo amin'ny toetran'i Jesôsy Kristy ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra, ary izay miara-miasa amin'i Kristy ka tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, dia hampiseho ny toetran'Andriamanitra (...). I Kristy ao am-po no hitondra ny momba izany olona izany manontolo (...) ho amin'ny fankatoavana ny fahamarinana. Hifanaraka amin'ny fisainan'Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny toetrany ny tena mpanara-dia marina an'i Kristy. Amin'izany no hampisehoana amin'ny taranak'olombelona ny fitsipiky ny lalàna izay mahataka-davitra. (...)
Nambaran'i Satana fa tsy mahalala na inona na inona momba ny fandavan-tena sy ny famindrampo ary ny fitiavana Andriamanitra fa henjana sy masiaka ary tsy mba mamindra fo. Tsy mba nanandrana ny fitiavan'Andriamanitra izay mamela heloka i Satana noho izy tsy nanatanteraka fibebahana marina. Diso ny fanehoany ny toetran'Andriamanitra; vavolombelona mandainga izy, mpiampanga an' i Kristy ary mpiampanga ireo rehetra manaisotra ny ziogany ka miverina ho amin'ny fahatokiana amin' ilay Andriamanitry ny lanitra. - RH, 9 Marsa 1897.