"Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra." — Mat. 5:19.
Mofon’aina:
Hoy ny teny: «Fa na iza na iza (...) diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra» - Jak. 2:10.
Tsy ny halehiben'ny tsy fankatoavana vita tsy akory no anaovana azy hoe ota, fa ny tsy fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zava-madinika indrindra; satria io no mampiseho fa mbola misy firaisana amin'ny ota ny fanahy. Mirona mankaminy ny fo. Ary izany dia fandavana an-kitsirano an'Andriamanitra, fikomiana amin'ny lalàn'ny fanjakany.
Raha navela hanao izay danin'ny kibony ny olona, ka hihataka amin'ny didin'i Jehôvah, ary hamorona fitsipika ho an'ny tenany, dia hifanipaka toy ny valala an-karona izy ary hesoriny tsy ho mpanapaka azy intsony i Jehôvah. Hanandra-tena izy, ary hanitsakitsaka sy hanala baraka ny sitrapon'Andriamanitra masina sy ambony, dia ny fikasany feno fitiavana ho an' ny olony. (. ..)Ny tsy fihontsonany amin'ny lalàn'Andriamanitra dia mampiditra azy ho Miaramilan'i Satana. Tsy amin'ny teny iray na amin'ny teny maro, fa ny teny tsirairay avy nolazain'Andriamanitra no tokony hiveloman'ny olona. Tsy misy teny tokony hataontsika tsirambina, na toy inona na toy inona hakelezany iheverantsika azy, fa mahavoa antsika io. Tsy misy na iray aza amin'ny didy, izay tsy natao ho soa sy hasambarana ho an'ny olona, na eto amin'ity fiainana ity, na any amin'ny fiainana ho avy. Fa izay tsy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra, na ilany aiza na ilany aiza, dia mandrava ny fefy tokony hahaaro azy; fa manisy banga hidiran'ny fahavalo izay handrodana sy handringana.
Nataon'ireo razantsika tsirambina ny ilany iray tamin'ny sitrapon' Andriamanitra, ka tonga nanokatra lalana hisesehan'ny fahoriana teto an-tany izany. Ary izay rehetra manaraka ny nataony dia mijinja toy izany koa. Fitiavana no fototry ny lalàn'Andriamanitra rehetra, ary izay miala amin'ny fitandremana azy dia miasa ho amin'ny faharavana. — S, tt. 48,49