"Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry." - Apôk. 7:14.
Mofon’aina:
Nahita vondron'olona nitafy akanjo fotsy i Jaona tao amin'ny fahitana nomena azy. (...) Tao amin'ny tempolin'Andriamanitra ireo vahoaka ireo. Izany no ho valisoan'ireo rehetra nifikitra tamin'ny fahamendrehan' i Kristy sy nanasa ny akanjony tamin'ny rany. Efa natao izay azo natao rehetra mba hahafahantsika miara-mipetraka amin'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany; fepetra manandrify izany anefa ny handehanantsika araka ny didin'Andriamanitra.(...)
Tsy tokony hanao izay hamoizana ny lanitra isika. Aoka hataontsika anton-dresaka ny zavatry ny lanitra. Tsy hisy alahelo na fahafatesana any; nahoana isika no tsy mazoto miresaka ny amin'izany? Nahoana isika no variana amin'ny zavatry ny tany? Mandrisika antsika ny Apôstôly mba hanao ny lanitra ho fanjakantsika. "Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesôsy Kristy Tompo" - Fil. 3:20. (...) Ho avy tsy ho ela i Kristy mba hamory ireo niomana, sy hitondra azy ireo any amin'izany toerana be voninahitra izany. "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin 'izay miandry Azy, ho famonjena." - Heb. 9:28.
Tiantsika ve ny misaina ny amin'izany toe-javatra izany sa irintsika ny hampihemotra izany? (...) Arakaraka ny iresahantsika momba an'i Jesôsy no hanehoantsika ny endrik'Andriamanitra. Voaova isika rehefa mibanjina Azy. Aoka ho ao anatin'ny fanandramantsika ara-pivavahana i Kristy. Rehefa tafavory ianareo, dia aoka i Kristy sy ny famonjeny no ho anton-dresaka amin'izany. (...) Arakaraka ny iresahantsika ny amin'i Jesôsy no ibanjinantsika bebe kokoa ny hatsarany tsy manam-paharoa.
Ireo izay tsy mahita fahafinaretana amin'ny fisaintsainana sy firesahana momba an'Andriamanitra amin'izao fiainana izao dia tsy hahita fifaliana amin'ilay fiainana ho avy, izay misy ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny olony. Ireo izay tia misaina ny amin'Andriamanitra kosa dia hahatsapa fiadanana amin'ny fifohanany rivotryny lanitra. (...) "Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin 'ny handriny." - Apôk . 22:3,4.- Ma, t. 331.