"Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23.
Mofon’aina:
Fitiavana tsy hay ambara no handraisan'i Jesosy ireo olona mahatoky Aminy hiditra amin'ny fifalian'ny Tompony. Ny fifalian'ny Mpamonjy dia ny mahita ireo fanahy voavonjy noho ny fahoriam-panahiny sy ny fietreny tody soa amin'ny fanjakan'ny voninahitra. Ary banana anjara amin'ny fifaliany ny voavotra eo am-pibanjinana ireo olon-tsambatra voavonjy noho ny asany sy ny fivavahany ary ny fandavan-tenany nentanim-pitiavana. Rehefa tafavory manodidina ilay seza fiandrianana lehibe fotsy mangatsakatsaka izy ireo dia misy fifaliana tsy azo tononina mameno ny fony, eo am-pijerena ireo voataonany ho an' i Kristy ka mahita fa ny anankiray dia nahazo olona hafa, ary ireo hafa kosa indray, samy tonga amin'ny seranan'ny fiadanana; mametraka eo an-tongotr'i Jesôsy ny satroboninahiny izy ka midera Azy mandritra ny andro mifandimby mandrakizay mandrakizay.
Rehefa raisina eo amin'ny tananan'Andriamanitra ny voavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsom-piderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak'Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain'ny taranak'olombelona - Ilay nohariany nefa nanota tamin'ny Mpanao azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran'ny tenan'ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana. Rehefa hitan'i Adama ny marika navelan'ireo fantsika lozabe, dia tsy hiantoraka eo an-tratran'ny Tompony izy, fa hietry ka hiankohoka eo an-tongony, manao hoe: "Mendrika, mendrika ny Zanak'ondry izay voavono!" (...)
Rehefa voaroaka niala tao Edena i Adama, dia feno fahoriana ny fiainany teto an-tany. Ny (...) fahasimbana rehetra teo amin'ny endrika kanton'ny zava-boahary (...) dia samy nampahatsiaro azy hatrany ny fahotany. Mafy tokoa ny nenina nanetoketoka azy rehefa nijery ny fitomboan'ny ratsy izy, ary nigoka ny ngidiny noho ny fahatsiarovany tena ho fototra niavian'ny fahotana. Tamim-panetren-tena sy tamim-paharetana no nizakany (...) ny sazin'ny fandikan-dalana. Nibebaka marina ny amin'ny fahotany izy sady natoky ny fahamendrehan' Ilay Mpamonjy nampanantenaina, ka maty teo amin'ny fanantenana ny fitsanganana amin'ny maty. Ny Zanak'Andriamanitra no nanavotra ny fahadisoana sy ny fahalavoan'ny olona; ary ankehitriny, tamin'ny alalan'ny asa fanavotana, dia tafaverina eo amin'ny fanjakany voalohany Adama.- Ma, t. 315