"(...) fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy." - 1 KOr. 13:12
Mofon’aina:
Ho fantatsika ny namantsika, toy ny mpianatra nahafantatra an'i Jesosy koa. Mety ho simba ny bikany, ny fahasalamany, na ny tarehiny teto amin'ity fiainana misy fahafatesana ity; hitsangana amin'ny fahasalamana tanteraka sy ny tena mifandrindra tanteraka izy, nefa ho voatahiry tanteraka ny maha-izy azy na dia ao amin' io tena be voninahitra io aza. Amin' izay dia hahafantatra toy ny ahafantarana antsika isika. Ho fantatsika ao amin'ny endrika manjelanjelatra noho ny fahazavana mamirapiratra eo amin'ny tavan' i Jesôsy izay mampiavaka ireo olon-tiantsika.
Haneho ny fankasitrahany ireo izay namahana ny noana sy nanafy ny mitanjaka ny sasany amin'izy ireo. Izao no holazainy: "Raha namatotra ny fanahiko tao anatin'ny tsy finoana ny fahadisoam-panantenana, dia naniraka anao ho any amiko ny Tompo, mba hilaza teny mitondra fanantenana sy fampaherezana. Nitondra sakafo ho ahy ianao, ary nanokatra ho ahy ny Tenin'Andriamanitra ka naneho tamiko fa misy zava-panahy ilaiko. Noraisinao ho toy ny rahalahy tokoa aho. Niara-nitondra ny fahoriako ianao ary nanasitrana ny fanahiko torotoro sy naratra mba handraisako ny tanan'i Kristy izay nitsotra hanavotra ahy. Raha tao anatin'ny tsy fahalalako aho, dia nampianarinao tamim-paharetana fa manana Ray any an-danitra izay miahy ahy. Novakinao tamiko ireo teny fikasana sarobidin'ny tenin'Andriamanitra. Noho ny aminao dia nino aho fa hamonjy ahy Izy. Tonga nalefaka sy nilefitra ary torotoro ny foko raha nibanjina ny sorona nataon'i Kristy ho ahy. (...) Indro aho, voavonjy mandrakizay, ho velona mandrakizay eo amin'ny fanatrehany sy hidera Azy Ilay nanolotra ny ainy ho ahy."
Ho toy inona re ny hafalian'ireo voavotra rehetra hifankahita sy hifampiarahaba amin'Ilay nilanja enta-mavesatra noho ny aminy! Ary ireo izay niaina, tsy ho an'ny fahafinaretan'ny tenany, fa ho fitahiana ho an' ireo malahelo izay zara raha nanana fitahiana - hanao ahoana re ny fifaliana ao am-pony! — Ma, t. 303